Edito

Mangaina lava


  • Zoma 10 Febroary 2023

Eto dia samy mangaina lava eto foana izany aloha isika mianakavy. Asa hoe mandra-pahoviana? Lasan-dry dakoma

ny volamena dia mitsiriritra mitazana avy lavitra aty fotsiny hoe eeeh! Mba avereno moa e! Miporitsaka fotsiny avy any tsy hita hoe ahoana ny volamena 73,5 kilao dia samy mimenomenona sy mifanontany eo fotsiny hoe fa nahoana dia vita. Tsy misy tohiny intsony. Tsy hay hoe nanao ahoana no tena niafaran’iny raharaha iny. Iny indray izao omaly hampitsiriritin’olona ny safira mitenti-bidy 189 miliara be izao izay hoe hita teto amin’ny tanin’ny tena saingy efa lasan-drizareo any Dobay any hatramin’ny taona 2019, izany hoe, 4 taona lasa izay dia mangaina sy mitelin-drora eto fotsiny sisa no azo atao rehefa avy nihanahana tsy nahita hanakanana ilay harena tsy hivoaka ny tanin’ny tena mba hanasoavana ny vahoaka. Dia miara-mangaina lava eto isika mianakavy, andeha atao hoe isika, satria ny 99%n’ny malagasy, hono izao, no tafalatsaka anaty fahasahiranana, hoy ilay antoko politika iray izay. Soa, hono, fa ho avy indray Rajao rehefa avy nitsena ny Barea isika. Izany izao no tena hita ho ezahana atao maha seriny ny olompirenena eto nefa any ambadika any ireny iaraha-mahita ireny fa mandeha foana ny mandeha saingy averina hatrany hoe isika mianakavy ny atao mihanahana ohatry ny gana sy mangaina lava eto, 4 taona mahery izay!

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT