Edito

Mangady fasana hilevenana !


  • Talata 23 Mey 2017

Manao volo ngita mifandray tendro avokoa ny ankamaroan’ny olona ambony ao anaty fitondrana.


 Samy manao izay tiany hatao satria manao fitaovana ny fahalalana sy fahafantarana ny dosie maloto niaraha-niketrika, ka rehefa tonga ny fotoana tokony hizogan’ny olona efa voaporofo izao fa nanao fandikan-dalàna mihoapampana ny saziny, toy ny fanodinkodinana volam-panjakana dia raikitra ny hoe raha maty aho matesa rahavana fa tsy hisy hanaiky hanefa sazy samirery eto, hany ka tsy maintsy mifampiaro mba tsy hipoahan’ny raharaha. Tapitra indray io ny fe-potoana hahafahana mitsabo ilay ramatoa malaza amin’ny kolikoly eny amin’ny hopitaly, ka tokony halefa eny Antanimora ary eny indray tohizana ny fitsaboana raha ilaina, saingy tsy mbola tanteraka ny fampidirana am-ponja. Mihevitra ve ny mpitondra ankehitriny fa ho vita mora sy handeha ho azy foana ny raharaha ary ho afa-maina fotsiny amin’izao ny mpanao ratsy ? Raha mitohy ny hazo lanin’ny voalavo ny lanitra, hoy ny fitenenana, ka na ho ela na haingana dia tsy maintsy hizaka ny nataony ny tsirairay. Efa mangady fasana hilevenana amin’ny alalan’ny fampanjakana ny tsimatimanota ny fitondrana Rajaonarimampianina ary efa an-dalam-pahafatesana, ka ny afera maloto tsy tambo isaina no hanototra azy atsy ho atsy. Mihevi-tena tsy ho tratry ny aloka saingy ny 99 andro ihany no an’ny mpangalatra, ka samy miandry ny rehetra, izay efa efa vonona ny handevona sy handevina ny fanjakan-jiolahy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT