Ny làlana no tsy asian-dratsy dia tahotra amin’ny
mbola hiverenana ! Raha mitohy ny hazo lanin’ny voalavo ny lanitra ! Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina ! 99 andro ny an’ny mpangalatra fa iray andro kosa an’ny tompony ! Ohabolana sy fomba fiteny mirakitra soatoavina lehibe amin’ny Malagasy ireny, natao mba hitandremana fa misy vidiny sy tambiny ny ratsy atao, fa tsy misy an’izany tsy maty manota izany eto amin’ity tany ity. Asa raha mba nosainin’ny mpitondra ankehitriny izany, fa misy fetrany io fiheveran-tena ho Andriamanitra kely io ka mihevi-tena ny tsy ho tratry ny aloka mandrakizay satria manam-bola sy manana basy. Dia heverina ve fa mbola ny ra mandriaka sy faty olona no eritreretina hamahana izao olana izao ? Ho tonga amin’izao ve raha mba nanana fanetren-tena hatrany aloha ka nihaino, nanaja ny hevitry ny hafa, tsy nanao amboletra tamin’ny sarintsarim-pifidianana sy fanitsakitsahana ny safidim-bahoaka,… Ankehitriny, tsy vitan’ny efa mamono vahoaka fa mbola mampifandrafy ny samy Malagasy. Dia rariny sy hitsiny ve ny fanatobahana vola tsy toko tsy forohana ny « forces » izay zana-bahaka sy avy amin’ny vahoaka mba hamono ny mpiray tanindrazana azy mangetaheta fiovana sy fanovana ka mitaky amin’ny tanam-polo ? Mba ahoana ny fandraisan’ny saina aman’eritreritra fa ireo « forces » asaina mamono sy mampijaly vahoaka misy karamaina hatramin’ny 500 000Ar na maherin’izany isan’andro ho tambin’ny herisetra ampanaovina azy hamono ny mpiray tanindrazana, fa ireo zanaka Malagasy eny amin’ny anjerimanontolo 22 000A monja isam-bolana ny vatsim-pianarany, ny mpampianatra mpanabe izay mampianatra manabe ny zana-bahoaka mety ampahatelon’ny 500 000Ar isam-bolana ny mba tambin-karama raisiny. Betsaka loatra ny tsy rariny eto, ka anisan’ny antom-pijoroan’ny vahoaka, kanefa dia mbola aharihary ihany, handranitana ny Malagasy. Atao mahagaga ve raha miakatra ny fahasosoran’ny olom-pirenena ka miakatra ny hambompom-bahoaka? Atao mahagaga ve raha mihamafy ny krizy ? Atao mahagaga ve raha manomboka tonga saina hatramin’ireo ao anaty fitondrana ? Miharihary fa tsy misy tena sahy mijoro amim-pahitsiana sy am-pitiavana ary amin’ny faharesen-dahatra amin’izao Fitondrana izao intsony fa na tambazam-bola, na mahazo tombotsoa be ao anaty Fanjakana. Dia mbola hoentina fitiavam-bahoaka fitaka, fampanantenana poakaty, sarintsarina fifampidinihana,… fa ny tena olana fototry ny Firenena avela amin’izao ? Raha raisina toy ny fiara ny firenena dia ny mpamily no tsy mahay dia ny resevera no miala ? Ampy izay ! Leo ny vahoaka !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.