Edito

Manetsetra fotsiny e


  • Alatsinainy 21 Aogositra 2017

Manetsetra sy mitsiriritra lava ny hafa lalandava ny Malagasy eo amin’ny fandrosoan’ny firenena. Ny olona lasa ihany, fa isika kosa mihemo-dava mamonjy ny rambony eo amin’ny resaka fahantrana.

Mampametra-panontaniana hoe isika mihitsy ve no dondrona sy toe olom-boazona hifamotika sy hifanenjika lava izao ? Ohatra iray aty Afrika izao ny firoborobon’ny toe-karen’i Rwanda, izay rotiky ny ady an-trano tany amin’ny 20 taona lasa, saingy voasokajy ho firenena mendrika sy isan’ny mandroso indrindra aty Afrika. Tsy mba hanjakan’ny adilahy politika, fa mahay manambatra ny heriny ny vahoaka sy ny mpitondra mba hoenti-mampandroso ny firenena amin’ny lafiny rehetra. Manana ny paikadiny manokana amin’ny fampandrosoana fa tsy voatery haka tahaka ny avy any ivelany, ary isan’ny mitazona hatrany ny fomba amam-panaony, saingy tsy manosi-bohon-tanana ny hafa, izay hitany fa mahasoa. Mahay mifandamina sy mifanaja ny mpitondra sy ny mpanohitra satria tombotsoam-pirenena no tandrovina. Eto amintsika kosa, dia valala an-karona sy fifanenjehana lava,fifamaliana faty tsy misy fiafarany,… Resaka fidirana ho mpikambana ao anatin’ny komitin’ny fampihavanam-pirenena aza hisehoana ady sy savoritaka. Ny vahoaka etsy andaniny efa tsy tan-dalàna sy manao izay saim-patany. Mbola ho ela isika vao ho tafavoaka, raha mbola hifanenjana sy hifamotika lava eto, fa tsy mifanatona sy maneho fihombonam-pirenena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT