Edito

Maneso ny vahoaka


  • Alarobia 10 Jona 2015

Mampalahelo ireo trangan-javatra nisesisesy teto amin’ny firenena tao anatin’ny herinandro vitsivitsy izay, hoy ireo ampahan’olona afaka maneho hevitra amin’ny alalan’ny haino aman-jery maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

 
 Tsy vitan’ny manalabaraka ny tenany intsony mantsy ireo mpitondra fanjakana fa tena mampitsanga-menatra an’i Madagasikara sy ireo mponina ao aminy, araka ny fanehoan-kevitr’ireo olona miantso an-tariby. Mitovy avokoa ny fomba fitenin’ireo mpanao politika rehefa haka ny fon’ny vahoaka mandritra ny fampielezan-kevitra dia ny hanala ny fahasahiranana sy ny fahantran’ny mponina eto Madagasikara. Tsy mikatsaka afa-tsy fahazoana seza miaraka amin’ny fiarovana ireo tombontsoa sy ny fampitomboana ireo harena efa eo am-pelatanany anefa izy ireo rehefa lasa olom-panjakana ambony. Porofon’izany ny fikirakiran’ireo manampahefana ireo volabe miparitaka etsy sy eroa tahaka ny nitranga farany teo teny Namontana. Midika ho fanesoana ny fahantran’ny vahoaka Malagasy maro an’isa ny fihetsika toy ireny, araka ny fahitan’ireo olom-pirenena mpanara-baovao. Ny olon-tsotra izay tsy te handany andro handinika politika avo lenta fa kosa miandrandra fiainana tsaratsara kokoa araka ny nampanantenaina azy.

Ramano F

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT