Edito

Maneno sahona avokoa


  • Alakamisy 18 Febroary 2021

Rehefa mety ny atao, ny soabakaka aza mampidi-dranon-ketsa, fa rehefa tsy mety ny atao dia ny

 

 

ranon’apango aza misy voay, hoy ny oha-pitenenana Malagasy. Sanatria ny hoe faly amin’ny fahavoazan’ny firenena na ny mpitondra, fa ny hita aloha dia maneno sahona avokoa ny ankamaroan’ny zava-drehetra. Misy zavatra sampona miseho foana. Sesilany ny fitakiana samihafa eto amin’ny firenena izay tsy tena ahitam-bahoalana firy fa miainga amin’ny fampiasan-kery aloha, vao miezaka mamono afo. Mitokona ny mpianatry ny anjerimanontolo, tsy mbola afa-po ny mpitsabo mpanampy, ny orinasa nanao làlana mitaraina ho tsy nahazo vola, ny mpampianatra maro no mitaraina fa tsy tonga ny vola fanampiana hatramin’izao,… Mbola vara-datsaka maneho ny tsy fahaiza-manao ihany koa ny fandrangarangana sazy ataon’ny Banky Iraisam-pirenena noho ny raharaha Jirama. Toa maneho ireny zava-misy ireny, fa tsy zakan’ny mpitondra ankehitriny ny fahefana sy ny fitantanana. Mora tany aloha ny namingana, nanenjika, nidina teny andalambe nilanja vatam-paty,… Ny tany alohan’izany, dia nitokana kianja ho kianjan’ny demokrasia mihitsy, niafara tamin’ny fandraisana basy aman-tafondro nandrombahana fahefana,… Nanao vain-drahalahy tsy mba marary, ary henjana ny fidradradradrana sy filelalelana tamin’ny haino aman-jery ny ambara fa tsy mety tamin’ireny. Inona no tsy nitabatabana tamin’ireny no tsy miverina ankehitriny. Sanatria ny hivoy hoe: mpamosavy milevona amoron-dàlana ka mahatantesa valin-kitsaka, fa kosa mila mandinin-tena hoe: inona tamin’ireo nanenjehana ny hafa moa no tsy miverina ankehitriny? Fotoana hisongonana ny tsy nety nataon’ny teo aloha izao, fa tsy fitanisana ny tsy nety nataony hanamarinan-tena lava eto. Mba ilaina ihany koa ny manetry tena indraindray, fa ity toe-tsaina tsy mba manaiky diso ity no tena fositra. Mihevitra ho eo mandrakizay, ka mahavita manitsaka hatreny an-tampon-doha ny sasany. Samy hotsarain’ny tantara eto fa samia ho ela velona e!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT