Edito

Maneno sahona avokoa !


  • Zoma 28 Febroary 2020

Nihemotra niha nanakaiky ny rambony ny laharantsika amin’ny resaka ady amin’ny kolikoly, voasokajy ho firenena faha-29 amin’ny firenena 31 mahantra indrindra, zara raha misy 7,91%

 

 

 ny tahan’ny fandoavan-ketra eto Madagasikara,… Ny eny amin’ny fiarahamonina, dia manjaka ny tsy fandriampahalemana, lafo ny vidim-piainana, hany ka mitsipatsipaka eny an-kalamanjana hatramin’ny olona. Tena maneno sahona ny zava-drehetra na miezaka mampiseho aza ny fitondram-panjakana fa tena miasa sy manao zavatra. Marina fa misy ny ezaka eritreretin’ny mpitondra fa zava-dehibe, saingy ny heveriny ho laharam-pahamehana toa tsy misy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka. Asa na tena tsy mahita na minia jamba eo anatrehan’ny tena zava-misy iainan’ny vahoaka Malagasy. Tsy fitia te hanakiana, fa na ireo nanohana ny filoha tamin’ny fifidianana azo antoka fa efa maro no kivy. Toa nozarina tamin’ny famonjena vonjy tavanandro sy kizarazara, fa avy eo adino sy tsy misy mpiraharaha. Mby aiza izao ilay resaka vary nalaza tany amin’ny propagandy ? Inona ny tohin’ilay “kits scolaires” nambara fa tsy miandry lany fa tonga dia miasa ? Ny tena manahirana eto amin’ity firenena ity, dia ny tsy mba fiaikena ny fahadisoana sy tsy fisian’ny fanetren-tena. Toa afobe ho an’ny mpitondra fanjakana ny mba hiaiky ny tsy mety, fa dia ny hidingin-drambo hatrany. Izay tokoa angamba ilay hoe ny lehibe tsy mba meloka. Na efa hita fa tsy mety izao aza, dia ny mpanenjika tozoro afara no setriny, raha mba misy miteny. Ny mpiara-dia amin’ny filoha toa jamba na matin’ny henamaso, ka tsy sahy miteny sy manitsy angamba. Misy mihitsy no toa manipy hoditra akondro. Ny mpanohana akaiky toa efa jamba loatra amin’ny fanohanana an-jambany na “fanatisme”, ka na efa hita izao aza fa tsy mety dia tsy maintsy harovana fatratra. Miroso hatrany any amin’ny fahaverezana isika raha hifampijery arina an-tava eto, koa am-bava homana, am-po mieritreritra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT