Edito

Maneno ny lakolosy


  • Talata 18 Aogositra 2020

Maneno ny lakolosy. Tsy hoe fidirana an-tsekoly akory fa tena lakolosy fanairana mikasika izay heverina ho loza mitatao amin’ny tontolon’ny fampianarana sy ny fanabeazana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.

Saika manahy ny amin’izany avokoa izay rehetra mbola mahatsiaro ny tenany ho olom-pirenena sy tia tanindrazana. Indrindra moa fa ireo ray aman-dreny. Tato anatin’ny 10 taona fara fahakelin’izao dia toy ny natao amoron-tevana hatrany ity resaka fikarakarana ireo heverina hoavin’ny firenena ity. Ireo zanaka amam-para, hoy ireo, mpiaradia amin’ny fitondrana izay. Nikorontana ny fampianarana. Nifampisambadidaka tamin’ny PSE sy ny fitazomana ny rafi-pampianarana mahazatra ny olon-dehibe dia ireo mpianatra tompon’ny ampitso sy izay mba isan’ny hany hantenaina hanavotra ity firenena ity no niharan’ny voka-dratsiny. Mbola nitohy ihany moa io avy eo ary dia tonga hatrany amin’iny tsy fahatomombanan’ny bakalorea 2019 iny. Efa nampametra-panontaniana tamin’ireny ny mety ho lanjan’ny diplaoma hivoaka. Ankehitriny anefa vao miha mijininika ny ratra mahazo ity tontolo ity, hoy ireo manahy ny amin’ny hoaviny. Sarotra ho an’ny maro no tsy hanontany. Hanao ahoana ny lanjan’ny mari-pahaizana 2020? Hanao ahoana ny hanarina ny lavaka mikasika ny fanabeazana sy fampianarana ireo zaza Malagasy rehetra ankehitriny mihitsy fa tsy ireo hanala fanadinana fotsiny ihany koa? Miatrika isika ankehitriny ny krizy ara-pahasalamana. Eo ihany koa ny ara-tsosialy sy toekarena. Efa mananontanona mba tsy hilazana hoe efa manomboka koa ny ara-politika. Hatramin’izao dia mbola tsy mahay mamaky teny sy manoratra hatrany, fara-faha keliny ny antsasa-manilan’ny Malagasy. Avelan’ny mpitondra Malagasy amin’izao anefa ny zava-misy. Manome soso-kevitra maro mikasika ny hahafahana mamonjy ny tontolon’ny fanabeazana ny ray aman-dreny sy mpanabe saingy ny tsy maintsy hanatanterahana ny fanadinana sy ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana ao anatin’izany ihany no asesiky ny tekinisianina miaradia amin’ny fitondrana. Afaka hanavotra ny firenena ve ny fizarana diplaoma tsy ombam-pahaizana sy fanabeazana feno akory ? Ny hoavin’ny firenena anefa no voatohintohina.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT