Edito

Maneno kiririoka sa ….


  • Talata 08 Aogositra 2017

Heverina fa hanomboka hisesy amin’izay izany izao ny fanambarana amin’ny fomba ofisialy hitanjozoran’ireo mikasa ho kandidà filoham-pirenena amin’io taona ho avy io.

Efa naman’ireo nijolofotra kosa etsy ankilan’izay ary zary fihomehezan’ireo mpitondra ankehitriny fotsiny aza angamba ve ireo fanambarana maro be teo aloha niantefa tamin’ny fitondram-panjakana hoe tsy mety intsony izao fitondrana izao na koa hoe mila ravana faran’izay haingana ? Tsy hay anefa aloha izay ho avoaky ny ampitso fa dia aleo tsy miteny betsaka. Aiza no hamantarana na mety ho ambadik’ireto mikasa hidina an-dalam-be eto an-drenivohitra iretsy mifandimby milaza ny filatsahany iretsy. Manahirana ihany ny mieritreritra hoe fifandrifian-javatra ny elanelana 1 andro nahatongavan’ny praiminisitra teo aloha sy ny vaovao aparitaka momba ny filohan’ny tetezamita teo aloha. Eo ihany koa ny hoe vovonana mbola tsy nidina an-dalambe hatramin’izay no mikasa hidina amin’izay. Efa maneno kiririoka ve sa mba tsobo-dranon-dRamiangaly fotsiny aloha e ?

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT