Raharaha mafana hatramin’izao ilay resaka famoahana antontan’isa mikasika ny lisi-pifidianana sy ny karapanondrom-pirenena miverin-droa. Nanipy ny baolina hiverina amin’ny CENI ny HCC,
ary toa namantsipantsika fa tsy voahaja ny dingana voafaritry ny fitsipika anatin’iny CENI amin’ny fanalana mpikambana iray. Mbola hafana ny adihevitra amin’ny resaka zo hiaro tena nomena ny olona henjehina. Hanova inona anefa izany ? Efa vaky am-batolampy ny ady, ary inoana fa tsy ho vitavita mora. Efa vaky ny sambo satria ny ain-dehibe iray, isan’ny tena nahafantarana io Vaomieram-panjakana io no efa ety ivelany. Ny mahagaga dia ny hoe tena niraisan’ireo mpikambana rehetra ao ve ity resaka fanonganana ny namana iray ity? Heverina fa hilamina ve ny zava-drehetra rehefa niala ilay iray nambara fa volo tsy nanoa randrana? Mety hilamina ny an’ilay iray tokana, handry ny eritreriny satria efa namoaka tamim-pahitsiana ny zavatra heverina ho marina, na dia miezaka mandiso izany aza ny fanjakana, izay voatohintohina ho lany tamin’ny hosoka sy halatra. Handry tsy lavo loha hatrany kosa ireo na ny ao anaty sambon’ny CENI, na ny mpitondra fanjakana tarihin’ny filoha Rajoelina. Toa mampahatsiahy ilay ampamoakan’ny kolonely iray tamin’ny raharaha 2009, izay ny hany resaka niniana novoizina sisa dia ny hoe: tsy salama saina io. Hatreto mantsy na ireo ekipa ao anatin’ny CENI aza, dia mbola tsy nisy sahy nilaza sy nanitsy, fa diso sy tsy mitombina ny nambaran’ingahy Thierry Rakotonarivo. Tsy mbola nisy niteny sy nampiseho hoe: ireto ary ny antontan’isa marina sy tena izy. Tahaka izany ihany koa ny an’ny mpitondra fanjakana, fa dia manenjika an-jambany tsy misy porofo no azo handikana azy hatreto. Tena tratran’ilay valin-teny malazan’ny HCC hoe: “azo raisina fa tsy mitombina”. Ny fampandrosoana tsy mandeha, ny famahana olana politika mbola vahaolana isan’andro ho an’ny fanjakana. Diavolan-ko lava, kilalao mbola ho ela anefa ity toe-draharaha ity, ka dia miandry am-pitoniana izay hiseho isika mianankavy e!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.