Na vaovao tokony hanaitra aza dia efa tsy nampiraika ny maro intsony ny nahafantarana tamina fahitalavitra tsy miankina iray ny zoma alina teo, fa hoe misy minisitra sy olona ambony maromaro tao anatin'ny governemanta Vital mikasa ny hamoaka an-tsokosoko boaderozy 12 kaontenera ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina.
Tsy nanaitra intsony ilay izy satria zavatra efa nahazatra nandritra ny fitondran'ny FAT. Zovy tokoa moa no tsy mahalala fa tsy maintsy olona ambony anie no mahatafavoaka hazo sarobidy eto izany fa tsy olon-tsotra na mpandraharaha madinika e ! Tsy maintsy manampahefana no afaka manindry bokotra sy manampina ny mason'ireo mpitandro ny filaminana sy mpiasan'ny fadintseranana mba hahafahan'ny kaontenerana boaderozy miainga tsimoramora any Toamasina na Toliara na Tolagnaro. Atao ahoana tokoa moa no hino fa kaontenera 20 dia tsy misy mahita mihitsy ny nidirany tao amin'ny seranan-tsambo sy ny nanondranana azy tamina sambo mpitatitra iray. Efa mpanondrana hazo sarobidy hatry ny ela i Madagasikara, misy ny mpandraharaha nahazo alalana hanao izany, ary ny faritr’i SAVA iny dia Antalaha sy Sambava no tena fantatra fa nakana ny andramena sy ny «bois d'ébène».
Hafa mihitsy kosa anefa no nitranga nanomboka tamin'ny 2009 satria na tsy mpandraharaha ara-dalàna amin'ilay resaka hazo sarobidy aza dia niditra tany anaty ala ary avy hatrany dia nanapaka, nitatitra ary nanondrana any ivelany. Ary ny tena loza dia hazo tao amin'ny faritra voaaro amin'iny faritr’i Mananara Avaratra iny no naripaka, natao laoka natsatsika sy natao masikita ireo biby niaina tao anatin'izany ala izany, biby izay eto Madagasikara ihany no misy azy maneran-tany. Olona ambony, olon'ny FAT no ao ambadik'ity bizna maloto fandripahana ny harem-pirenena ity, ary mibaribary be ilay izy rehefa tena dinihana ny fiainan'izy ireo. Ankehitriny izany, araka io vaovao nivoaka tamin'ny zoma lasa teo io dia mbola mitady hevitra hanondranana boaderozy ihany ireo minisitra sy olona ambony sasany ireo, mety efa azon'izy ireo an-tsaina angamba fa tsy hiverina amin'ny toerany intsony izy ireo koa dia manararaotra faramparany, hoy ny mpanara-baovao. Tena mila vola be mantsy raha sanatria tsy maintsy hitsoaka atsy ho atsy koa aleo mihinana aloha dieny izao tany tsy misy fanjakana izao.
Araka ny fantatra kosa anefa dia efa misy ihany ny fanadihadiana sy famotorana momba ny zavatra hafahafa nataon'ireo olona ambony sasany ireo, fa ny tsy fantatra fotsiny dia ny hoe fanadihadiana tena hamoaka ny marina ve izany sa mody natao fotsiny mba hampilamin-tsaina ny olona ? Mazava, araka izany, ny mahatonga ny mpamatsy vola iraisam-pirenena tsy manaiky ny hamerenana amin'ny toerany ireo minisitra akaiky an'i Andry Rajoelina satria sady mampiahiahy ny fomba fitantanan'izy ireo ny ministerany no sady mety mbola variana amin'ny zavatra hafa koa izy ireo. Nambara fa fotoan'ny fanovana izao ka ho hita eo ny tena fahasahian'ny mpitondra hamoaka ny marina, ka hanambara mazava tsara mihitsy ny anaran'ireo olona ambony mandrovi-tsihy faramparany ka manondrana an-tsokosoko ny harem-pirenena mba hahazoany tombony manokana ho an'ny tenany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.