Edito

Mandroso mihemotra !


  • Zoma 16 Aogositra 2019

Tsy mila mpamatsy vola mahazatra fa mampahantra, avy eo mila mpamatsy vola mahazatra indray !

 

Hataoko maimaimpoana ny hopitaly manara-penitra, avy eo tsy maimaimpoana ! Ekeko ho lehiben’ny mpanohitra i Marc Ravalomanana, avy eo toa milaza an-kolaka sy manao kajy politika fa tsy manaiky an’izay ! Hatao ny fifidianana, avy eo tsy hatao ny fifidianana,… Fanehoan-kevitra sy fihetsika mandroso mihemotra hatrany no tsapa. Ampahany ihany ireny fa matetika tsy mitazona ny teny nomena ka mbola azo hitokisana ihany ve ? Mbola azo hinoana ihany ve ny zavatra lazaina fa fampantenana poakaty sy fampihesonana no betsaka ? Vao tonga eo dia raikitra ny fampandrosoana haingam-pandeha, araka ilay anarana lamasinina, kinanjo tsy mbola mafana hatramin’izao ny maotera, mba tsy hilazana fa efa arafesina sy tsy mety velona fa ny bika sy ny endriny ivelany angamba no mipoapoaka. Manamafy io karazana sarin-teny io ny filazana fa tokony hampifandraisina amin’ny tanjona nanaovana ny velirano ny volavolan’ny tetibolam-panjakana 2020. Io dia porofo velona fa tsy mbola misy velirano tena tanteraka izany eto, fa ny fijapiana ny masinin’ny olona teo aloha no lehibe, ary ny resabe sy fampanantenana aloha no hisongadina !

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT