Edito

Mandroso mihemotra


  • Talata 11 Oktobra 2016

Efa toy ny kilalaon-jaza ny hetsi-pitakiana eto amin’ny firenena ankehitriny. Na hetsika politika na fitakiana sendikaly dia mandroso mihemotra toy ny lelon-jaza avokoa.

Mbetika hanala ny mpitondra amin’ny toerany fa efa tena tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny raharaham-pirenena. Mbetika milaza fa tsy maha maika ny fanonganana fa mbola hifampidinika. Dia toy izany koa ny zava-misy amin’ny fitakiana sendikaly ankehitriny ka hanambarana fa hahemotra ny fitokonana fa mbola mandray fihaonana iraisam-pirenena isika. Tsy fahasahiana sa tsy fahamatorana? Nafana am-boalohany ny an’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana saingy mangataka andro lava izay iaraha-mahita fa efa am-bolana maro saingy tsisy vokany. Ny an’ny mpampianatra ihany koa efa miha manomboka maty ny afo na dia milaza ny tsy hanaiky tambazam-bola aza ny mpitarika. Ny teo anivon’ny orinasa Air Madagascar aza moa tsy hita izay niafarany. Tsy mba haintsika mihitsy ny mandray fanapahan-kevitra matotra fa dia mivadibadi-dela lava. Very an-javony ny dingana efa vita noho izay tsy fahamatorana izay ka lasa resabe sisa ny tolona tian-kapetraka izay zary mihena hery am-pitoerana toy ny fen’antitra. Tsy mety tody amin’izay tena tanjona fa rava eny an-tenantenany sy maty momoka izay ezaka mba natao fa mahery firehitra am-boalohany toy ny afo-mololo fotsiny.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT