Edito

Mandroso, mihemotra


  • Zoma 10 Oktobra 2014

Nofoanana indray ilay fihaonambe saika hotanterahina ny talata 14 oktobra ho avy izao, hoy ny filohan’ny antoko eo amin’ny fitondrana HVM sady minisi-panjakana misahana ny ny fotodrafitrasa sy ny fanajariana ny tany. Nihemotra tamin’ny fanapahan-keviny indray izany ny fitondram-panjakana, satria ny antoko eo amin’ny fitondrana sy ireo mpiara-dia aminy no saika hanatanteraka io

. Mialoha izao dia efa nisinisy ihany ireo fihemorana na fiverenan-dalan’ny mpitondra fanjakana, nitory mpanao gazety, nasiaka fitenenana be fa hoe afa-baraka sy voahoso-potaka, hono, kanefa nisintona ny fitoriana avy eo. Nihenjana tamin’ny mpiasan’ny Jirama noho ilay nambara fa « court circuit » tao amin’ny trano fonenan’ny filoha, avy eo nisintona ny fitoriana sy nanatsahatra ny fanadihadiana ireo mpiasan’ny Jirama. Nanizingizina fa tataovan-ketra 2 000 ariary isam-bolana ny karama farany ambany eto amin’ny firenena, avy eo nofoanana indray. Ao anatin’ny 3 volana no itrangan’izany rehetra izany. Fa mpitondra inona marina ary no misy eto e ? Tsaroana ihany koa ny fihazakazaky ny praiminisitra sy ireo mpiara-miasa aminy vantany vao nantsoin’ny filohan’ny antenimieram-pirenena an-telefaonina fa hoe efa malaza be ao Tsimbazaza ny fitsipaham-pitokisana. Nihazakazaka ary nandamin-dresaka avy hatrany ny governemanta. Tsy misy zavatra tena matotra anie eto izany fa miankina amin’ny zava-mitranga fotsiny no hanapahan-kevitra e ! Tsy atao mahagaga raha tsy hahazo famatsiam-bola avy any ivelany mihitsy izao fitondram-panjakana misy eto amintsika izao. Na ireo mpamatsy vola mpanao bizna aza mety tsy hazoto intsony atsy ho atsy noho ilay tandrevaka sy tsy fahaiza-miasa mibaribary avy amin’ireo mpitantana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT