Edito

Mandrora mitsilany


  • Alakamisy 19 Martsa 2020

Azo lazaina hoe tao anatin’ny herinandro izao dia “niaina tsotra” ny vahoaka. Saika fanambarana feno fampiombonana sy fifanentanana hatrany no matetika heno.

 

 Iaraha-mahafantatra ny antony. Mahatsiaro manana ady iombonana ny rehetra satria aina no hiantran’ilay tranga, hoy ny fanazavan’ilay mpanakanto iray izay. Rehefa miverina mitodika amin’ny zava-misy omaly tampoka fotsiny anefa dia toy ny sosoa voatapo-drano sahady ny fifanentanana mba efa nezahana natao handaminana ny fiarahamonina rehetra ao anatin’izao zava-misy izao. Mbola maro hatrany ireo Malagasy tsy misy atao fa dia mandany andro amin’ny fifanaratsiana sy fiantsiana any anaty tambazotran-tserasera isan-karazany ihany. Nirongatra mihitsy izy omaly izay ary mampametra-panontaniana hoe inona ary no mba tombony ho an’ireo olona na vondron’olona manatontosa azy ireny. Ahazoam-bola ve sa tombontsoa manao ahoana? Na atao hoe misy izany rehetra izany aza anefa, azo inoana fa hahatsara fiafara sy hampandry heritreritra ilay manaiky hanao azy ve? Ny mahagaga amintsika Malagasy dia tsy mety tonga saina mihitsy isika mahita ireo firenena niara-dalàna sy mahantra noho isika taloha izay efa lasa lavitra ankehitriny satria tsy nandany andro tamin’ny tsy misy dikany sy mokamoka amina tombontsoa samirery mety hanimba ny fireneny. Tombontsoa ho an’iza moa ny fampahantrana ity firenena ity? Samy miara-mitotongana eto daholo ny Malagasy tsy an-kanavaka rehefa midina ny sandam-bolan’ny firenena. Raha tsy hoe hitsoaka tsy hipetraka eto intsony angaha! Firifiry tamin’ireny nanandrana niala teto ireny anefa moa no tsy voan’ny atao hoe hanina ny tany nihaviana na “le mal du pays”, araka ny famaritan’ny vahiny azy izay? Mampahatsiaro mpandraharaha Malagasy malaza tamin’ny fotoan’androny niteny tamina gazety vahiny iray izay hoe “manina ny gaboraraka ao Madagasikara aho izany.” Tsy midika izany akory fa tsara ny gaboraraka fa tiana hihaviana dia ny hoe hafa ihany izany tany nihaviana izany ary mitovy amin’ny mandrora mitsilany izay manao ny tsy mety any.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT