Edito

Mandrora mitsilany !


  • Alakamisy 09 Martsa 2017

Mandalo vanim-potoana sarotra tanteraka ny firenena amin’izao fotoana izao. Ny hanin-kohanina tsy ampy satria ratsy ny vokatra tamin’ity noho ny haintany navaivay tao anatin’ny volana maro. Izao indray mamely mafy ny rivodoza ka ny 80%-n’ny velaran’i Madagasikara no mibaby ny voka-dratsiny.

Dia tena maro mihitsy ny milaza velom-panontaniana hoe : efa tena firenena voaozona ve ity firenentsika ity sa ahoana mihitsy ? Ny mpitondra tia tena, ka tsy misaina afatsy ny hameno paosy, ny vahoaka maditra sy sarotra hentina, ka tsy atao mahagaga raha samy maka ho azy sy manao fanjakam-boalavo ka samy mamotika izay tandrify azy. Tsy mba haintsika mihitsy izany hitsinjo ny ampitso izany, ka zary lasa mifanome tsiny lava rehefa mivaly amintsika ny voka-dratsin’izany. Tsy tongatonga ho azy ny zavatra toy izao fa isika ihany no mamosavy tena sy mandrora mitsilany. Sesilany, ohatra, ny fanimbana ny tontolo iainana toy ny fandripahana ala any amin’ny Faritra Atsinanana sy avaratry ny Nosy. Antony lehibe mampiovaova ny toetr’andro izany ka mampahery vaika hatrany ny loza voajanahary. Ekena fa misy foana ny loza voajanahary fa fa tsy ho toy izao misy ankehitriny izao mihitsy no ho fiantraikany raha nahay niaro sy nitsinjo ny tontolo iainana isika fa tsy nentin’ny fitiavantena ka tsy nisaina afatsy ny hamotika.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT