Raha nanomboka nafana ny fampielezan-kevitra tamin’ny herintaona dia nisy olona nilaza fa mpanao didy jadona fa mody malefaka fotsiny Atoa Hery Rajaonarimampianina. Tsy nisy nino izany tamin’io fotoana io, ary raha nandray fahefana aza izy tamin’ny 25 janoary tamin’ity taona ity dia maro no nanantena fa filoha mba milamindamina, manampahaizana, mandinika tsara aloha vao manapa-kevitra, tsy taitaitra ary mahay mifandray amin’ny rehetra izy, dia izay ilay hoe Hery Vaovao
Enim-bolana aty aoriana anefa, toa manomboka miseho masoandro amin’izay ny tena toetrany, manomboka manenjana izy. Manomboka hita soritra ihany koa ny endri-pitantanana tiana hapetraka eto, mizotra tsimoramora mankany amin’ny fifehezana ny filazam-baovao sy ny fanehoan-kevitra indray isika ankehitriny. Na ahoana na ahoana fanazavana avy amin’ny mpitondra dia izay aloha no sary hitan’ny rehetra. Montsana ny zava-bita tsara indrindra hatramin’izay fa tao anatin’ny enim-bolana nitondrana i Hery Vaovao dia efa nanagadra mpanao gazety 2 avy hatrany, ary mifanandrify indrindra amin’ilay atrikasa handinihana ny volavolan-dalàna mifehy ny serasera izany rehetra izany. Tsy tokony ho efa mba nandray lesona tamin’ny lasa anefa ve ireo mpitondra hoe tsy dia fanao loatra ity mihantsy ady amin’ny mpanao gazety sy managadra ity ? Indrindra fa ao anatina vanim-potoana tena mbola tsy milamina tsara ny eto Madagasikara, fitoniana no tadiavina fa toa savorovoro indray ity no mitranga. Sao lahy ka diso paikady e ! Atsy ho atsy ve izany dia ajanona koa ireo fandaharana amin’ny onjampeo mandefa ny antso an-telefaonina mivantana avy any amin’ny mpihaino satria lazaina indray fa namoaka vaovao tsy voamarina, na nanalabaraka manampahefana iray ! Ao anatin’ny fotoana tena ilany serasera matanjaka no mihantsy ady amin’ny mpikirakira vaovao ny fitondram-panjakana. Sao dia mba mandrora mitsilany leretsy e ! Sa ve efa tsy mila gazety sy haino aman-jery tsy miankina intsony ny fitondran’i Hery Rajaonarimampianina fa efa tena hanao ampihimamba ny haino amanjerim-panjakana, ka hanao izay tiany sy mahafalifaly ny fony ao ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.