Mandrimandry manana aretina !

Ao ny lafin-javatra miabo sy azo


  • Alatsinainy 15 Jona 2026

tsapain-tanana amin’ny fiainam-pirenena,

kanefa misy ihany koa ny fanontaniana lehibe mbola mameno ny ssaim-bahoaka. Raha ny lafiny tsara, hita fa miezaka ny fitondrana fanavaozana manarina ny fiainan’ny vahoaka amin’ny alalan’ny famahana olana fototra toy ny jiro sy rano, izay efa ela no nanahirana ny tokantrano maro. Misy fotoana somary miverina kely aloha ny olana amin’izao ! Azo sokajiana ho mariky ny fiezahana hanome lanja ny asa sy ny fandraisana andraikitra ataon’ny Fitondrana ny fampiakarana ny karaman’ny mpiasam-panjakana saingy asa mba nankaiza sa nanjavona teo ambony latabatra ilay an’ny tsy miankina izay efa nasiana resaka fa tsy nitohy intsony? Ny fanehoana fa miady amin’ny tsimatimanota ny fitondrana dia manome fanantenana fa mba hihena ny jiolahy politika sy ny jiolahim-panjakana, saingy betsaka ihany koa ny toe-javatra tsy mangaraharaha ka sao hampitombo ny fisalasalana sy fifampatokisana ? Araka izany, betsaka ny ezaka, fa maro koa ny lesoka. Ny Fikaonandoham-pirenena izay tokony ho sehatra ifampiresahana sy ifampitokisana dia toa adinodino sy mihemotra lava, ka lasa takon’ny adihevitra hafa toy ny resaka hetra na ny fientanam-bahoaka amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany amin’ny baolina kitra. Misy ihany koa ireo manao politika efa manomboka mitady hirika amin’ny kajikajy ho amin’ny fifidianana manaraka, ka tsy dia mifantoka loatra amin’ny fiainam-bahoaka. Ny fanamboarana sy fanatsarana rafitra samihafa dia mbola baraingo, mifamatotra amin’ny fanapahan-kevitra tokony hivoaka amin’ny fikaonandoham-pirenena. Ny lafiny ara-toekarena sy sosialy dia mbola manahirankirana ihany, ka manontany tena ny maro sao mandrimandry manana aretina isika ? Izany rehetra izany dia manambara fa eo am-pitadiavana fifandanjana i Madagasikara: eo amin’ny Fanavaozana sy ny fanamby mbola tsy voavaha, eo amin’ny fanantenana sy ny ahiahy. Ny fanontaniana lehibe dia mijanona: ho vitantsika ve ny hanova ny tena hanangana Firenena ka hanapaka tadimpoitra amin’ny fanao mamohehitra ka hamotsipotsipotsitra ireo vay mandemy ny Firenena sa mbola hiaina amin’ny kisaritsarim-piarahamonina politika efa maro no tsy nahomby tao anaty antsasaka taon-jato ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT