Edito

Mandrimandry manan’aretina


  • Alakamisy 03 Martsa 2011


Raharaha mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao maro eran-tany sy eto Madagasikara ny zava-mitranga any Libya any. Araka ny tatitra nataon’ny Ligy libiana miaro ny zon’olombelona, dia mananika ny enina arivo no namoy ny ainy hatramin’ny 15 febroary no nankaty nisian’ny hetsi-bahoaka mitaky ny fahafahana, fanalalahana ary demokrasia marina. Omaly anefa dia nanamafy i Mouammar Kadhafi raha misy firenena vahiny mihevitra ny hitsabaka amin’ny raharaha anatiny dia vao mainka ho maro ny aina hafoy any. Miezaka mafy mifikitra amin’ny fitondrana i Kadhafi, na dia efa 42 nitantanana an’i Libya aza. Tsiahivina fa fanonganam-panjanana, niaraka tamin-dry Gamal Abdel Nasser, ny 01 septambra 1969 no niakarany teo amin’ny fitondrana.

Nisy ny ain’olona nafoy tamin’izany. Tsy dia mifanalavitra amin’ny lalana nizorany no nataon’i Andry Rajoelina sy ny andiana miaramila nioko teto Madagasikara ny taona 2009. Roa taona izay no lasa, nefa mampanahy be ihany ny zava-mitranga ary ahiana hanara-dia an’i Mouammar Kadhafi ny lalan’i Andry Nirina Rajoelina. Raha avy nandrombaka fahefana teny amin’ny arabe ity farany dia mpitondra fanjakana anisan’ny nalehany sy nidodododoany voalohany i Kadhafi. Tsy tongatonga ho azy na kisendrasendra izany, tsy ferana fa mety tiany hotahafina hatao maodely. Ny zava-nitranga tato anatin’izay roa taona izay : fiovaovan-kevitra, fitsipahana izay ifanarahana, hery famoretana, famonjana, tsy mampihatra izay ifanarahana … mba hampitarazohana ny krizy sy ny tetezamita mazava loatra. Ny demokrasia mihitsy no tandindomin-doza. Koa dia mandrimandry mananan’aretina ihany ny Malagasy eo anatrehan’izay.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT