Edito

Mandrimandry hatrany


  • Zoma 11 Martsa 2022

Hita ho mandrimandry hatrany hatramin’izao ny fitondram-panjakana manoloana ny zava-miseho rehetra, tsy eto amin’ny firenena ihany,

fa manoloana ny tranga mandindona krizy vaovao ho an’izao tontolo izao ihany koa. Vina marim-pototra entina hanarenana ny fahantrana nifandimby tao anatin’ny 60 taona mahery aza moa ity andrasana hatrany nefa toa vao mainka nampitotongana ambany dia ambany ny fiainana eto ara-toekarena sy sosialy ? Maha menatra ny maheno azy saingy afaka ny hanampim-bava ireo firenen-kafa tsy hiteny hoe “le pays le plus pauvre du monde” ve nefa moa? Mba efa manao ahoana izao ny paikadin’ireo minisitera tena voakasika akaiky indrindra ny amin’ny tokony ho fiantraikan’io zava-misy any Okrainina sy Rosia io? Ny minisitra sasany tsy nipoitra tamin’ny haino aman-jery hoy ny tsikera mandeha izay raha tsy hanitsoka ny namany. Ny sehatra tantanany anefa mampitaraina ireo mpisehatra ao anatin’izany satria, hoy izy ireo, dia tafakatra hatrany amin’ny 95% ny asa miankina amin’ny fizahantany nihitsoka vokatry ny zava-misy ankehitriny. Ny minisitra sasany moa miha miharihary rahateo ny tsy fahafehezany ny departemanta nampiandraiketana azy. Asa mandra-pahoviana no mbola ampihainana anaty andrakandrana toy izany hatrany ity firenena ity. Sanatria ve rehefa tanteraka ny tenin’ireo mpanao politika sasany lasa nodimandry toy ny hoe ahiana tsy hisy hipetrahana tongotra Malagasy intsony ity Madagasikara ity afaka 10 taona vao mba mety hikoropaka hitady ny tena vahaolana ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT