Edito

Mandrimandry hafahafa


  • Zoma 18 Aogositra 2023

Mandrimandry hafahafa indray ankehitriny ny rivotra politika eto amin’ny tanàna na dia eo aza ny fanehoan-kevitra samihafa

izay toa heno ho feno fanahiana avy amin’ireo herivelona misy rehetra eto amin’ity nosy Madagasikara ity. Hatramin’ny depiote voafidy tamin’ny lokon’ny fitondrana avy no manahy rombo raha sanatria tsy ho tanteraka ny fifanatonana sy fifampiresahan’ny andaniny sy ny ankilany. Samy miaiky ireo rehetra mandinika ny zava-misy amin’izao fotoana izao fa mamaivay ny toe-draharaha. Miotrika, hoy ny fitenintsika malagasy azy izay. Sarotra ny tsy hino fa tsy mivangongo any am-parahatoky ny olompirenena izay niharany avy ny tifitra variraraka nahazo ny vahoakan’Ikongo, ny kabeson’ny mpanjaka fahiny nanamarika tantaram-paritra sasany nidila fotsiny izao tsy hita mazava hoe nahoana ka nilana dingana famerenana azy any amin’ny tena nihaviany indray, ny volamena niondrana an-tsokosoko maro izay any amin’ny firenen-kafa vao hita, ireo tsy hita koa moa tsy ferana ary mampametra-panontaniana hoe firy kilao no tena fitambarany? Ny ankilany efa manangam-bovona fa tsy hanaiky intsony na dia ny filatsahan-kofidianana vazaha eto amin’ny firenena fotsiny aza. Ny andaniny koa mitandroka fa tsy maintsy milatsaka ny azy ireo satria ra malagasy no mikorina ao anatiny. Andrasana moa izay ho vokatry ny fampihaonan’ireo raiamandreny ara-panahy ireo mpisehatra politika manerana ny nosy amin’ity herinandro ity ary tena hivavahana mafy mba hitondra vokatsoa hampitony tanteraka amin’izay ny toe-draharaha eto amin’ity firenena ity satria dia efa hiara-mahita izao fa na ny raharaha 1947 na ny 1972 na ny 1991, 2002, 2009 hatramin’ny 2018 dia samy tsy nisy nitondra vokantsoa ho an’ny firenena avokoa satria vao mainka fivakivakisan’ny fiarahamonina sy ny mpiara-belona no naterany fa tsy firaisankinan’ny tia tanindrazana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT