Edito

Mandrehitra afo hatrany!


  • Talata 13 Aogositra 2019

Demokrasia tahaka ny ahoana no tiana hapetraka eto amin’ny tany sy ny fanjakana ity ?

 

Toa lasa resa-jaza ilay lalàna mifehy ny fanoherana novolavolain’ny mpitondra ankehitriny 8 taona lasa izay. Izy ireo no hotoherina ara-poto-kevitra, saingy izy izany izao no mametraka ny fitsipi-dalao arakaraka izay mety aminy. Toa tonga hatramin’ny sarin’ady politika amin’ny fanirahana ny olona hanohitra ireo tokony hitarika ny fanoherana, araka ny lojika politika mazava sy ny lalàna ezahina hovaina. Midika fa tsy misy ny fahamatorana ara-politika raha zavatra nataony izao no toheriny sy tsy mety aminy, ary mazava ho azy fa tahaka izany ihany koa ny fomba fiasa amin’ny zava-drehetra. Tsy in-dray tsy in-droa rahateo ny tsy fitazonana ilay teny nomena, ka raha nolazaina sy nesoina ho mpampiesona ny fanjakana teo aloha, dia ity angamba mety voambolana ambonimbonin’io no azo hanasokajiana azy. Tsy fanenjehana na tsy fitiavana fa kosa tena tsy mitana ny teny nomena fa mandainga sy mamahan-dalitra lava izao. Toa miezaka mandrehitra afo ara-politika sy mihantsy ady eto, izay heverina fanodinkodinana saim-bahoaka ihany koa io. Manomboka mitroatra noho ny tsy fisian’ny rano ny vahoaka eto an-drenivohitra, saika isan’andro ny fahatapahan-jiro mihamafy izay sady manimba zavatra no manimba ny asa fihariana, mikolay amin’ny vidin’ny arina fandrehitra ny rehetra, midangana ny vidim-piainana, tsy mandry fahalemana ny tany,… saingy kajikajy sy ny fandranitana ady ara-politika no laharam-pahamehana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT