Mandrehitra afo !

Arakaraka ny maharatsy ny fandehan-


  • Alakamisy 23 Novambra 2023

draharaha no toa vao mainka mandrisika

ny mpitondra ankehitriny handrehitra afo. Mitombo ny fananganam-pahavalo, mandeha ny fandemen-tsaina mivantana na ankolaka,… Samy mahazo ny anjarany na kandida, na depiote, na mpitarika sendika, na olon-tsotra. Ny olana tsy mivaha, saingy mbola fambolena olana hafa no vahaolana aroson’ny mpitondra izay tratry ny tsikera hatrany ho tsy ara-dalàna sy tsy nanaraka ny lalàmpanorenana no nahatongavany teo. Tsy te hahalala izany ny andaniny, fa tena manenjana sy mampiseho ny heveriny fa ho heriny. Vao mainka midingin-drambo sy manapatra ny fahefany raha tarafina amin’ilay raharaha olom-boafidy iray hoe : vao hanaovana fitakiana sy tsindry dia vao mainka hitadiavana ny fomba hitazonana azy. Moa tsy mbola sarintsarin’izany ve io mahazo ireo mpitarika sendika io ? Tsy resaka olona no olantsika, fa ilay fomba fiasa sy fiady ara-politika. Raha ny sary mitranga, tafiditra tanteraka ao anaty tsy fahamarinan-toerana ara-politika i Madagasikara. Na ny ato anatiny, na ny sehatra iraisam-pirenena, samy miantso mivantana na ankolaka ny tokony hisian’ny fandaminana ny toe-draharaha amin’ny alalan’ny fifampidinihana. Tsy izay anefa no miseho, fa toa vao mainka fandrarahana solika eo ambonin’ny afo efa mirehitra. Ara-politika, toekarena, sosialy, diplaomasia,… dia tena mipetraka ny tsy fahamarinan-toerana, tsy azo sarontsaronana amin’ny filalaovana antontan’isa ara-pifidianana, tsy azo hamoramoraina amin’ny fandrangarangana basy aman-tafondro, fa tena mila vahaolana tena mifandraika amin’ny zava-misy raha tena misy marina ny fitiavan-tanindrazana. Betsaka ny tsy fanarahan-dalàna, maro ny tsy fahamarinana, nirarakopana ny tsy ara-drariny,… Tahaka ny tsy misy arofanina intsony eto amin’ny firenena, fa tena misy vondrona mpanao politika manasokajy tena ho tsy maty manota sy tompon’i Madagasikara. Loko sy fijery tokona no tiana hampanjakaina eto, ka na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy izay. Raha mandeha amin’ny faharesen-dahatra moa ny vahoaka haninona fa ity terena hisotro ny rano tsy tiana ity no zava-doza ? Aleo mijery lavitra ihany fa mety ho tahaka ny kodiaran-tsarety ihany koa anie ny ho fihodin’ny politika na ho ela na ho haingana e !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT