Edito

Mandrehitra afo


  • Talata 30 Jona 2015

Tsy mampiseho fahavononana hiresaka mihitsy aloha hatreto raha ny fihetsiky ny mpitondra fanjakana fa dia mikasa ny hampihatra vahaolana tery vay manta fotsiny. Misy amin’ireo olona akaiky ny filoham-pirenena omaly no nahavita namoaka vava hoe

            


: aleo hanao eo fa dia eny amin’ny fitsarana izany mifankahita, ny raharaha Air Madagascar no resaka eto. Tsy atao mahagaga raha mihetsika ireo sendika satria efa mba nomena roa taona latsaka kely ihany izao fitondrana izao izay tokony hanohy ny fampihavanam-pirenena saingy tsy nisy hatreto aloha ny dingana tena goavana hametrahana ny filaminana sy fitoniana matoa misavorovoro tahaka izao ny iray tanàna. Vao miha hanaosarotra ny raharaha ny fiakaran’ny vidin-tsolika, io efa manambana ny hampiakatra saran-dalana io ry zareo mpitatitra, tsy hanaiky mora foana koa anefa ny fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa. Olana foana no mipoitra maro fa tsy misy mihitsy ny vahaolana, na ara-politika io na ara-tsosialy na ara-toekarena. Ny mpamatsy vola efa hita fa malaina hamoaka vola fa manao fomba firesaka diplaomatika fotsiny, tsy ny fitokanana zava-bita etsy sy eroa mihitsy ny hampilamina ny toe-draharaham-pirenena, ary tsy hoe rehefa mpitondra fanjakana dia afaka manao vava be sy mandrahona ny hafa. Ahiana handrehitra afo ka hivadika fitokonana goavana ny raharaha Air Madagascar raha izao fifanatonan’ny sendika izao no jerena ka rehefa ny sendikan’ny mpiasa izay no mivondrona hitokona dia hikatso anie izany ny zava-drehetra eto e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT