Edito

Mandrapihaona !


  • Talata 05 Jona 2018

Politika tokoa no atao ka sarotra ny tsy halaim-panahy hanakatra ny ao ambadiky ny tian-kambaran’ireo mpisehatra vaventy anatin’izy ity. Sehatra avo lenta izany politika izany, hoy ireo manampahaizana ary tsy ho iva lenta na oviana hatrany ihany koa ny fanapahan-kevitra mivoaka.

Naninona no omaly no fotoana nofidian’ny praiminisitra teo aloha hametrahany ny fialany ? Inona no dikan’ilay teny farany hoe mandrapihaona ? Misy antony ny zava-drehetra. Im-piry moa no efa notakiana ny fialan’ity praiminisitra ity saingy hainy hatrany hatramin’izay no nilaza fa niasa dia niasa ny tenany sy ny governemanta izay notarihiny ? Izay afera maloto voaravaka kolikoly tsy voatonona ny anarany no nanenina. Afera izay tena nampiaiky ny rehetra fa nikitikitika ny ain-dehiben’ny firenena kanefa dia tsy ity praiminisitra teo aloha ity no niangonan’ny rihitra fa ireo voarohirohy ho namita ireo iraka nampanaoviny hatrany. Raha tena nanam-pahendrena tokoa ve ity “tompon’andraiki-panjakana” teo aloha ity tsy tokony ho nahay nanaja tena tamin’ireny fotoana ireny satria efa be ireo porofo nivoaka fa zary lasa “Gouvernement de dégat” ilay nolazainy fa “Gouvernement de combat” notarihiny ? Izao tokoa ve “vao tonga”, araka ny nolazainy omaly, ny fotoana hanapahany hevitra amina olom-pirenena tompon’andraikitra azy sa efa tsy fidiny na misy toerana hafa nampanantenaina horaisiny atsy ho atsy any ka dia hoe mandrapihaona tokoa aloha izany ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT