Edito

Mandiso adihevitra


  • Zoma 24 Martsa 2017

Tsy maintsy mihomehy anaty ihany ianao rehefa mandre

tompon’andraikitra manome fanazavana amina tandrevaka na hadalana nataon’ireo eo ambany fifehezany. Mahavatra mihitsy izy ireo tato ho ato mandiso ny adihevitra izay tena tokony hipetraka manoloana ny trangana raharaham-pirenena eto amintsika. Efa voatsikera matetika ny mikasika ireo karazam-panilihan’andraikitra fanaon’izy ireo fa ny tena mahalasa saina dia ireo fihetsika sy fanazavana tontosaina andrim-panjakana ambony samihafa. Nahagaga ny mpanara-baovao ihany, ohatra, ny mbola namongarana ilay razana nametrahan’ny fianakavian’ny maty fitoriana fa hoe tsy nodidian’ny hopitaly akory nefa nandaniana volabe fony notsaboina ny talata teo. Fa naninona no tsy voaporofo fony mbola teo am-bohitra ny marina fa voatery andro talata taorian’ny fandevenana ? Nanome fanazavana koa ireo tompon’andraikitry ny fitandroana ny filaminana omaly mikasika ilay balafomanga nirefotra teny Betongolo fa hoe tsy nahy no nahatonga azy iny. Kanefa mbola hohadihadiana indray, hono, raha noho ilay biriky latsaka tamin’ny trano nianjera no nandratra ireo lasibatra na noho ilay balafomanga. Moa ve tsy ilay balafomanga no nanenjera ireo biriky ?

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT