Diso fandika ny sori-dalana ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina raha milaza fa aorian’ny fifidianana vao afaka mody eto Madagasikara ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Izay no nambaran’Atoa Marius Fransman minisitra lefitra Afrikanina Tatsimo momba ny fiaraha-miasa sady mitarika ny iraky ny Troika miasa eto Madagasikara raha nitafa tamina gazety vahiny iray izy. Mazava tsara izany izao ny dikan’ilay andininy faha-20 ao amin’ny sori-dalana fa afaka mody tsy misy fepetra eto ity filoha teo aloha ity. Mbola manamafy ny fanafoanana ireo raharaham-pitsarana rehetra manana endrika politika mahazo ireo mpanohitra ny FAT ihany koa ny andininy faha-16. Koa raha ireo andininy roa ireo fotsiny no dinihana dia tsy tokony hisy intsony ny fanenjehana ara-pitsarana sy famoahana didy fampisamborana momba an’Atoa Ravalomanana, ary tsy afa-miala amin’izany ny FAT satria ny filohany dia efa nanambara tamin’ny fomba ofisialy fa mankato sy manaiky ny sori-dalana ary vonona ny hampihatra izany. Tsy mijanona eo amin’ny fanendrena ny praiminisitra ny fananganana ny tetezamita iaraha-mitantana hahatongavana any amin’ny fifidianana fa mbola mandalo dingana maro.
Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana ny fitoniana eto amin’ny tany sy ny fanjakana sy ny fampihavanam-pirenena. Tsy hisy mihitsy ny fitoniana raha mbola misy olona sakanana tsy hiditra eto, indrindra fa maro mpanohana io olona io ary azo eritreretina fa mety mbola voafidy filohan’ny Repoblika raha kandida. Efa mazava ny resaka eny amin’ny Magro fa tsy mijanona mihitsy ny tolona raha tsy tafaverina eto i Dada. Nilaza koa ny ankolafy Ravalomanana fa efa mba maro ihany ny zavatra nandeferan’izy ireo noho ny tombontsoa ambonin’ny firenena saingy tsy azo iadian-kevitra kosa ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana eto sy ny hahafahany milatsaka hofidiana filoham-pirenena. Rehefa nohalalinina ny hevitry ny SADC sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia tsy manda io filatsahan’ingahy Ravalomanana io. Tsy zava-baovao moa izany fa efa fahita any amin’ny tany maro.
Raha ny marina dia tsy hoe mpitondra jadona nandritra ny 25 taona ka tena nampijaly sy nampahory ny vahoaka ity filoha teo aloha ity ka hiharan’ny fahatezeran’ny sehatra iraisam-pirenena tahaka ny kolonely Kadhafi tsy akory. Miavaka ihany koa izy raha ampitahaina amin’ireo filoha Afrikanina maro, ary ny tsy azo adinoina dia anisan’ireo olona tena atokisan’ny mpamatsy vola i Marc Ravalomanana. Midika izany fa rariny sy hitsiny izy raha mandray anjara mivantana amin’ny fanavotana an’i Madagasikara. Maro ny zavatra mety ho vitany sy ny lalam-bola mety ho hitany, ary mora aminy ny mandresy lahatra ny mpamatsy vola, talenta izay hita fa tsy mbola ananan’ny filohan’ny FAT sy ireo mpiara-miasa aminy mihitsy aloha hatramin’izao. Raha fintinina, rehefa voatendry ny praiminisitra dia hirosoana indray ny fanendrena ireo minisitra, ho avy indray ny fanendrena ireo mpikambana CT sy CST. Rehefa tafapetraka daholo ireo rafitra ireo dia ho avy eto Madagasikara Atoa Ravalomanana, izay tokony ho amin’ity taona ity satria vao migadona ny 2012 dia fifidianana no malaza. Efa tokony hitsangana daholo ireo rafitra rehetra, mivoaka ny gadra politika, vita ny famotsoran-keloka ary efa natomboka ny fampihavanam-pirenena. Koa aoka tsy hadika vilana ilay andininy faha-20, fa izay voasoratra dia voasoratra e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.