Edito

Mandika lalŕna sahady


  • Sabotsy 09 Novambra 2013

Manahirana ihany ny mahita sahady afisina kandida solombavambahoaka efa mipetraka amin’ny rindrina sy ny andrin-jiro na miranty amina rindrim-be, kanefa tsy mbola manomboka amin’ny fomba ofisialy akory ny propagandy.

Dia efa hita taratra sahady ilay fandikan-dalàna kanefa olona hanao lalàna ny solombavambahoaka. Eto Antananarivo renivohitra no ahitana izany, dia tsy fantatra intsony izay mitranga any ambany ravinahatra rehetra any. Tsy mety amin’ny mpanao politika mihitsy ve ny manaja lalàna sy mahandry tantana e ? Olona sahy mandika lalàna tahaka izany ve no hisolo vava ny vahoaka ? Mila mandinika tsara dieny izao ny mpifidy fa olona tsy azo itokisana ireny «Mangalatra départ» ireny ary efa azo sary an-tsaina ny foto-kevitra ijoroany. Miditra ao anatina vanim-potoan’ny fanovana i Madagasikara, ny mpitondra sy ny mpanao politika no tokony ho modely tsara amin’izany, fa raha ny mitarika no matsatso dia tsy atao mahagaga raha manondrana ny vahoaka. Niroborobo ny fitsaram-bahoaka tato ho ato izay, lasa fitaovana famonoan’olona ny dina any amin’ny faritra maro, malemy manoloana izany ny manampahefana, tsy mahatohatra ny rodorodon’ny vahoaka hamono olona ny mpitandro filaminana. Santionan-javatra mila fandinihana lalina, mila vahaolana izany saingy rehefa tsy manaja ny lalàna ny mpanao lalàna dia hikorontana ny eto e. Manana anjara toerana goavana ao anatin’ny fitantanan-draharaham-panjakana ny solombavambahoaka raha ny lalampanorenan’ny Repoblika faha-4 no jerena, satria avy amin’ny maro an’isa eny amin’ny Parlemanta no ivoahan’ny Praiminisitra izay hotendren’ny filohan’ny Repoblika. Mety nisy ny kandida solombavambahoaka efa nandany vola be amin’io afisy sy ny fametrahana azy etsy sy eroa mameno tanàna io, ka efa mampanahy sahady fa dia asa voalohany ho ataony raha toa ka tafiditra soamantsara eny Tsimbazaza izy dia ny fiadiana ny tombotsoa manokana, tahaka ny tambin-karama, ny vola solon-tsolika sy ny zavatra maro samihafa mba hamerenana ny vola lany tamin’ny propagandy. Mila mampiseho fahamatorana ny olona mihevi-tena fa tokony hitondra eto fa tsy manararaotra ny tsy fahalalana na ny fahatsoran’ny vahoaka. Tsapa koa izao fa manjavozavo loatra ny lalàna eto amintsika ka mahazo aina ny mpanao politika fa dia tena lalaovin’izy ireo ilay izy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT