Edito

Mandihy tsy afa-tavony


  • Alatsinainy 27 Jolay 2015

Hivalona afaka telo andro ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna hatao amin’ny 31 jolay 2015. Manomboka misongadina ireo kandida heverina fa hironan’ny safidin’ny mpifidy.


Misy no tapohany ka mievotrevotra, mandihy tsy afa-tavony tsy mahandry izay havoakan’ny vata mangaraharaha. Mazava ny anton’izy ireny, fa dia ny hanao fitaovana ny hamaroan’ny olona tonga nijery rindran-kira maimaimpoana ka hidongy sy hilaza fa nisy hala-bato matoa tsy lany izy ka tsy hanaiky ary mety handoro tanàna indray. Misy aza moa mbola anatin’ny fampielezan-kevitra dia efa mandoro tranon’olona manaiky hametahana afisy sy banderaolin’ny kandida mpifaninana aminy. Ny an’ny kandida sasany indray moa dia resaka fankahalana olona ranofotsiny ny fandaharanasany, ka raha izy hono no voafidy eo dia ringaniny hatramin’ny fianakavian’izany olona izany. Koa mila mailo amin’ny safidy izay hatao a !

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT