Mandia tany efitra!

Fitenin’ny tandapa sasany


  • Alarobia 03 Desambra 2025

tao anatin’ny fitondràna teo aloha moa ny hoe

Mila mifehy kibo!». Ny vahoaka malagasy no nampitàn-drizareo izany hafatra izany tamin’ny fotoan’andro ary hafatra niarahan’ny mpanara-baovao rehetra nahita sy nandre. Iny omaly ny mpitondra tenin’ny governemanta amin’izao fotoana izao fa nanamarina ary hoe tena nisy tokoa ny famoaham-bola tao amin’ny banky foibe tanatin’ireny tolona nitranga teto amin’ny firenena farany teo ireny, izay nataon’ny fitondràna teo aloha. Vokany, foana ny kitapom-bolam-panjakàna rehefa tonga ny fitondràna vaovao ary sisa tafajanona izany dia ny karaman’ny mpiasam-panjakàna ho an’ny volana ambony. Efa nivaky moa tany am-boalohany ny filohan’ny fanavaozana fa firenena efa potika no noraisin’izy ireo an-tanana ary nanomboka teo izy ireo dia nandeha tambonin’atody. Matetika koa ireo mpanohana izao fitondràna izao samihafa no mampahatsiahy izay fahasahiranana ara-bolan’ny fanjakàna malagasy izay. Voky izany ny fitondràna teo aloha, raha fehezina ny votoatin’ireo fanehoan-kevitra samihafa ankehitriny. Efa milamindamina any amin’ny misy azy avy ireo any ireo izay nanao sesitany ny tenany. Nataon’izy ireo omby vavy fitery ronono izay heverina ho loharanon-karena rehetra nahafahana nanovo izany harena tokony ho an’ny firenena izany saingy navadik’izy ireo ho harenany manokana, raha ireo fanazavàna samihafa hatrany. Nanao ahoana tokoa moa no niafaràn’ny volamena nivadika vy na ny raharaha fahitalavitra fisaka sy ny volabe 900 tapitrisa Euro mahery tamin’ny COVID 19 sy ny maro samihafa tsy voatanisa? Eto izany isika mianakavy aloha dia miara-tonga saina sy velom-panontaniana hoe taiza ho aiza tao anatin’izay rehetra izay izany no mba nanaporofo ny fitondràna teo aloha fa nanana izany antsoina hoe fitiavan-tanindrazana nohirahirainy tao anatin’ny 16 taona izany? Lasa mahantra indrindra erantany ny firenena. Izay no fehin’ny vokatra rehetra hatramin’izay nisian’izany fitondràna teo aloha izany hatreo. Ankehitriny, rava ilay fitondràna, mandia tany efitra izany izao ny firenena, raha ny fanazavàn’ny mpitondra voaray hatramin’ny omaly aloha! Inoana fa mbola ho tazana ihany ny tany lonaka.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT