Mandeha ny fotoana!

Kely sisa dia ho feno 10 volana


  • Talata 21 Jolay 2026

no nitsangànan’ilay fitondràna antsoina hoe

fanavaozana». Fanontaniana fototra ao anatin’izay, mazava ho azy, ny hoe aiza ho aiza isika mitaha amin’ny fitakiana natao tamin’ny tolona nisy teto amin’ny firenena farany teo? Ny tolona nisy teto amin’ny firenena tahaka ireny moa izany, ara-tantara, dia nantsoina foana hatramin’izay hoe tolom-bahoaka na inona na inona firehana politika sy sosialy nipoirany. Tsy handany andro isika anio hamaritra ny hoe inona no atao hoe vahoaka dia inona no atao hoe olompirenena akory fa ny heverina ho nahafahàna nametraka fitondràm-panjakàna hijoro teto amin’ity firenena ity hatreto aloha izany dia ny heverina hoe fifidianana nandraisan’ny olompirenena anjara sy izay lazaina ho tolom-bahoaka izay. Adihevitra be io saingy raha ny tokony ho nandrasàna tao anatin’ny atao hoe tolom-bahoaka hatramin’izay izany dia ny hoe tanteraka ve ireo notakiana teny an-kianja? Voavalin’ny tantaram-pirenena sy ny fiainam-pirenena hatramin’izao avokoa izany fanontaniana izany hatreto. Tsy tanteraka ny notakiana tamin’ny tolon’ny 1947 dia ny hoe Madagasikara tena mahaleotena. Hatramin’izao ny filohan’ny fanavaozana mbola miaiky fa miankindoha ara-toekarena sy politika isika. Niverenana notakiana izany ny taona 1972 sy 1991 saingy tsy nety tafaverina ilay hoe tena fahaleovantena. Niova endrika kely indray ny tolona nisy ny taona 2002 dia ny hoe fitakiana fahamarinana sy fiarovàna ny safidim-bahoaka. Nahatafatsangana firenena marina ve isika nanomboka teo? Inona no nentin’ilay nantsoina hoe safidim-bahoaka? Efa notakiana koa ity hoe fanovàna ity ny taona 2009 saingy hiaraha-mahita hatramin’izao ny vokany. Niova tokoa ilay firenena. Niova ho lasa mahantra indrindra eto ambonin’ny tany. Depioten’ny fanovàna mihitsy moa no niantsoana ireo depiote niisa 73 nitolona tamin’ny 2018. Inona akory anefa no fanovàna nentin’izy ireo teo? Nanova praiminisitra ho mahay mazia namadika ny volamena ho lasa vy ve? Eto indray izany isika izao miandry ny ho vokatry ny tolona niainga ny 25 septambra 2025. Asa indray ny hiafaràny hoe hanao ahoana? Mandeha ny fotoana!

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT