Edito

Mandeha ny fotoana


  • Sabotsy 22 Jolay 2017

Tsy vao izahay no nilaza fa latsaka an-katerena ny firenena, hoy ny vovonana iray, izay nilaza ny fahitany ny toe-draharaha ankehitriny omaly.

Nilaza izy ireo fa manana vahaolana ialana ao anatin’ny lavaka misy ny firenena ankehitriny. Tsy izy ireo ihany anefa fa efa nilaza ho manam-bahaolana ary efa mba samy nandroso ny azy ireo avokoa ireo mpitabataba isan’andro amin’ny haino aman-jery. Ny zavatra tsikaritra dia toa vahaolana mitovitovy hatrany no miroso dia ny hoe fanomezana anjara toerana ny eny ifotony amin’izay. Mandeha ny fotoana kanefa dia mijanona ho fikaonandoha, atrikasa, valandresaka sy ny toy izany hatrany aloha, raha ny hitan’ny maso, ny vahaolana miroso rehetra. Miha sarotra arakaraka izay fivoaran’ny fotoana izay ny toe-draharaha. Ny vahoaka miha sahirana. Akaiky ny fifidianana kanefa tsy mety voarodan’ny mpanohitra, araka ny fanirian’izy ireo ny fitondrana izay lazainy fa tsy mahavita azy, hono, ka tokony hahatsapa tena hametra-pialana. “Rahoviana no hitranga i Bemolanga ?” , hoy ilay hira.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT