Edito

Mandeha ny fanadihadiana…


  • Talata 12 Janoary 2021

Ny raharaham-pirenena tsy mandeha main’ny laoniny intsony, ny fianana ara-

 

 

tsosialy mihasarotra andro aman’alina, ny lafiny toekarena sy misy azo antenaina firy, ny afera maro samihafa manao tohivakana ny fahavakiany am-batolampy,… Mitana ny sain’ny maro ny resaka trafikana volamena goavana, izay toa zary maneso ny firenena Malagasy. Ny harena eto amin’ny firenena olom-bitsy no miliba sy manao tantely afa-drakotra azy, fa ny olom-pirenena mahantra fadiranovana. Tsapa ho mikorapaka tsy mandry andro tsy mandry alina ny mpitondra. Tsy miampanga azy ireo, fa hitsikitsika tsy mandihandihy foana fa ao raha, hoy ny fomba fitenintsika Malagasy. Toa mandeha ny karazana ala bala fa tsy vao izao no nisiana fanondranana, mandeha ny fanenjehana fa mpanakorotana sy misakana fampandrosoana izay mitsikera sy manohitra ny hitany fa tsy mety. Aleo, hono, handeha ny fanadihadiana, fa tsy mety ny tonga dia manonona sy manasoketa olona. Ny zava-misy anefa, toa efa tsy misy mamaly amin’ny alalan’ny porofon-kevitra mafonja sy azo raisina ireo ampamoaka sy fanontaniana momba ireo olona ao anaty fanjakana toa ahiahiana mafy. Raha havela handeha tsotra tokoa ny fanadihadiana. Moa ny Fanjakana ve hanenjika sy hamely ny olona ao anaty Fanjakana ihany raha misy olony tokoa ao kanefa mety samy manao? Firy izay hoe aleo handeha ny fanadihadiana izay no very an-javony ? Tsiahivina foana fa nanao fitoriana ny mpitondra tetezamita noho trafikana boaderozy ny Pr Zafy Albert fahavelony, namoaka lisitra ny Praiminisitra Atoa Omer Beriziky, nanao ampamoaka momba ny boaderozy tao Iavoloha i Rolly Mercia sy Fidèle Razara Pierre,… moa mba nisy tohiny fitoriana samihafa? Moa sahy nandà izany ny mpanohana fitondrana ?

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT