Toy ny mandeha ho azy mankany mankany ny fiainam-pirenena eto na ara-politika, na ara-toekarena, na ara-tsosialy,…
fa tsy misy sori-dàlana sy làlan-kizorana mazava. Tena mandeha jonjorombona, ka izay alehany any alehany! Miankina amin’izay toe-javatra mipoitra eny an-dalàna ny fanapahan-kevitra, fa tsy misy tanjona mafonja. Hita taratra io niainga tany amin’ny Barean’I Madagasikara hoe namiratra sy nahazo ny fon’ny vahoaka, dia iny fa nihazakazaka isika hanangana kianja etsy sy eroa satria malaza ny baolina kitra. Namely ny kere tany Atsimo, izay tsy nisy fiomanana na efa fantatra aza fa tsy nisy orana tany ary mpiseho foana ny hanohanana, dia iny indray aloha no toa nakana doka politika. Nampanantenaina daholo indray izao zava-drehetra izao, nenjehina ho tsy nahavita na inona na inona ny teo aloha, nampanantenaina ny “pipeline”, nolazaina fa efa any anaty sambo ny ozinina mpamokatra sakafo, ary tonga afaka iray volana sy tapany,… Efa dila ny fe-potoana saingy mbola tsy tonga ka sao sanatria hivadika ho abobo, toy ilay “tramway” nolazaina fa efa any anaty sambo tamin’ny tetezamita? Manampy trotraka izay, tsy hisy fanjakana sy mpitondra mba hanaiky ho diso sy hanitsy ny làlany eto, fa ny azy ihany no marina, ny azo ihany no tsy maintsy tanterahina. Izay mba miteny sy manitsy na manakiana, dia “mpanakorontana” sy fahavalon’ny fampandrosoana. Indraindray toa manao gisalahy homan-ketsa, ka ny efa diso indray no avo vava. Hita io tamin’ireo raharaha nafampana sasany nahasaringotra olona ambony. Ankehitriny, miezaka mafy amin’ny fanenjehana ireo tsy mitovy hevitra, mampihorohoro, managadra,… Asa izay hiafarany, fa raha mitohy ny hazo lanin’ny voalavo ny lanitra, hoy ny oha-pitenenana Malagasy izay.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.