Edito

Mandany vola fotsiny !


  • Alarobia 04 Mey 2011

Dia nanomboka omaly izany ny fotoam-pivoriana ofisialy voalohany ho an’ny Parlemanta, izay haharitra 60 andro.

Ao anatin’izao fitondrana tetezamita izao moa dia tsy misy aloha ny olom-boafidy fa dia olom-boatendry avy amin’ireo antoko sy fikambanana politika isan-karazany no mandrafitra ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita. Tsy dia misy zava-baovao firy teny Tsimbazaza sy Anosikely fa efa mahazatra ihany ny lahateny sy ny kabary fanokafana omaly. Hifantoka amin’ny fandinihana ireo volavolan-dalàna hitondrana mankany amin’ny fitoniana sy ny fampihavanana ny asan’ireo parlemantera amin’ity fotoam-pivoriana ity ka eo no handinihana ny volavolan-dalàna momba ny fifidianana, ny lalàna hifehy ny serasera, ny fampihavanam-pirenena, ny famotsoran-keloka. Hodinihina ihany koa ny mety ho endrika vaovaon’ny CENI izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanomanana sy fikarakarana ny fifidianana. Ny volavolan-dalàna momba ny fifidianana moa dia efa vonona any ihany koa ary efa neken’ny filankevitry ny minisitra, dia andrasana izay mety ho hevitry ny mpikambana CT sy CST momba azy na ho lany avy hatrany na asiam-panitsiana. Ny momba ny famotsoran-keloka ihany koa dia efa maromaro ihany ny fehin-kevitra voaoman’ireo vondrona parlemantera isan-karazany, mbola eo ihany koa ny fehin-kevitra tamin’ny fihaonambem-pirenena sy ny fihaonan’ny mpanao politika. Ny volavolan-dalàna momba ny serasera moa dia efa voarafitra fa ho hita eo ny fandinihana azy.

Tsy nisy filazana kosa anefa ny anaran’ireo mpikambana vaovao hiditra ao amin’ny CT sy ny CST araka ny voasoratra tao amin’ilay sori-dalana natao rangopohy teny Ivato tamin’ny 9 martsa 2011. Samy mahatakatra tsara anefa ny mpanara-baovao fa miandry ny fivorian’ny SADC amin’ny 20 mey ho avy izao ny zava-drehetra, ary tena mbola henjana ny fifandresen-dahatra any ambadimbadika any, satria samy hanao izay tratry ny heriny sy ny fahaizany ireo ankolafy politika eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Miezaka mafy ny filohan’ny FAT mba handresy lahatra ireo filoham-pirenena mpikambana ao amin’ny SADC mba tsy hisalasala intsony fa hanaiky ny voasoratra rehetra ao amin’ilay sori-dalana nampifanolana ka hanaiky ny fitondrana tetezamita ary hanampy azy amin’ny fikarakarana fifidianana izay hotanterahana amin’ity taona ity.

Ny ao amin’ny Ankolafy 3 kosa, izay tsy mbola nandefa solontena tamin’ny fomba ofisialy ao anatin’ny rafitra tetezamita misy amin’izao fotoana dia manitrikitrika fa tsy ara-dalàna ny zavatra ataon’ny FAT ary tena mbola tetezamitan’ny mitovitovy firehana no misy eto, ary tsy mbola tomombana sy feno mihitsy ny fepetra tena mampitony ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny, koa ilaina noho izany ny hanaovana fihaonana iray hafa eo amin’ireo filohan’ankolafy ary eto Madagasikara no hanatanterahana azy. Koa noho izany, mahita sy mahatsapa ny maro fa fandaniana fotoana sy volam-bahoaka fotsiny ity atao eny Tsimbazaza sy Anosikely nanomboka omaly ity, satria mitomboka isan’andro ny tambin-karama kanefa hihodinkodina fotsiny ny adihevitra sy ny asa atao fa tsy hisy ny fanapahan-kevitra hentitra sy matotra ho amin’ny tombontsoa iombonana, fa tsy maintsy hiandry ny 20 mey.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT