Edito

Mandany lera


  • Talata 05 Septambra 2017

Mbola anjaran’ny fitondram-panjakana hatrany ve amin’izao fotoana nY milaza fa maika ny fampandrosoana ? Moa ve tsy efa ela izy io no tokony ho natomboka ?


 Toa ireo efa voalaza hatramin’ny niandohan’izao fanjakana HVM izao hatrany no mbola re am-bavan’izy ireo ankehitriny ary toy ny efa kolontsaina raiki-tampisaka mihitsy ilay mampanantena lava. Dia toy ireny mpilalao baolina kitra mitrandraka ady sahala na te handresy amin’ny isa tery dia tery ireny ny mahita ny fitondrana mijoro amin’izao fotoana. Ny mampalahelo dia toa diso fahavalo no fahitana azy. Ny efa nisy hatrizay ihany, izany hoe izay eo amin’ny fitondrana no mpandresy ary izay tsy eo, toy ireo vahoaka mitrongy vao homana, no toa heverin’izy ireo ho resy. Dia mandany lera miandry ny kiririoka farany sisa no hataony. Iza anefa no hanome amboara azy ireo rehefa vita ilay lalao ? Ireo vahoaka nalonany tanaty fahantrana sa ireo fianakaviambe iraisam-pirenena izay tsy resy lahatra amin’ny fomba fitantanana misy eto ankehitriny ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT