Mandany fa tsy mamorona harena !

Mbola haverina foana fa tsy misy tokoa angamba mpitondra Fanjakana


  • Alatsinainy 06 Mey 2024

na mpanao politika dia tena maniry ny hahapotika sy haharava ny firenena

na dia misy ihany aza ny haratsiam-panahy maniry ny hahabado mandrakariva ny Malagasy mba ho azo atao tohatra fiakarana. Matoa mihemotra sy milentika i Madagasikara, dia vokatry ny tsy fahaiza-mitantana, tsy fahaizana mijery sy mametraka ny tokony ho tena laharam-pahamehana, tsy fahafehezana ilay firenena sy ny zavatra tena mety aminy. Eo ihany koa ny tsy fahaizana mampifanaraka ny fitantanana, ny politikam-panjakana, fandaharan’asa, ny fampianarana, ny fampiasam-bola,… any amin’ireo otrik’arena ananan’ny firenena mba havadika ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana, hany ka ny vahiny no mitavana ny harena eto. Tahaka izany ihany koa ny tsy firaharahiana ny Malagasy izay harena voalohan’ny firenena, fa ny fampijaliana sy fanambakana an’ireo mivantana na ankolaka no tena atao. Ny resaka fitsinjaram-pahefana sy fitsinjarana ara-bola moa dia resaka ambony latabatra no betsaka. Betsaka ireo sehatra misy lanjany goavana ara-toekerana saingy fampanantenana poakaty ny ankamaroan’ny ambara fa fandraisana andraikitra mikasika azy, raha tsy hilaza afatsy ny tontolon’ny angovo. Dia lasa fandaharan’asam-panjakana mihitsy ny fizarana jiron’akoho, izay ekena fa ilaina, saingy miteraka inona tokoa ? Moa tsy lasa fanaovana pi-maso politika ? Ny sary tiana hapetraka eto dia ny fametrahan’ny mpitondra ny tandindony, mba hahatsiarovan’ny olona azy, fa tsy ny hampandroso ny isam-batan’olona. Matetika mandany vola amin’ny zavatra mandany harena fa tsy mamorona harena raha tarafina amin’ireo kirendrarendra samihafa, toy ny kianja, kizarazara,... Fandrosoana inona no ho vanona amin’izany ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT