Tsianjerin’ny ankizy nanabeazana azy fahazaza ny hoe « Raha misy manome zavatra ho anao, kingà miteny hoe misaotra tompoko ! ».
Tena ilaina ny misaotra saingy misy koa ny atao hoe « fialan-tsiny ». Mila mandany andro amin’ny fisaorana ireo akama nahalany azy rehetra ve ny filoham-pirenena vao afaka manomboka manatanteraka ny vinany ? Noraisina manokana teny an-dapa ilay raiamandreny avy any Vavatenina nanatsarana ny sary tamin’ny fotoanan’ny fampielezankevitra ary ampinga nahatafakatra azy an’Iavoloha ihany koa. Tsy azo adinoina koa ny nandray ireo mpanakanto niara-niasa tamin’ny fampielezankevitra. Rehefa tsy antonona an’Iavoloha irery ny seho ivelany hisarihana ny saim-bahoaka entina ilazana indray fa tena akaiky ny valalabemandry ny fitondrana ankehitriny dia nosoratana teny amin’ny minisiteran’ny tanora koa ny tantaran’i Pà. Mbola miaina anaty fahasahiranana hatrany anefa ny vahoaka Malagasy. Ekena ny vahaolana madinidinika aroso eny antsefatsefany eny fa aiza ireo tena mahasoa ny ativilany ? Sa mbola aorian’ireto fisaorana hafakely ? Tena vahaolana maharitra ve ny famenoana trano vy avy amin’ireo fiarabe napetraka ho an’ireo sahirana etsy La Reunion kely ? Ka raha mahita izany moa ireo namana tantsaha hafa mihevitra azy ho sahirana avy any ambala izay mba efa somokitra hanasoa ny tanimboliny sy ny tanindrazany amin’ny fambolena sy fiompiana, tsy ho avy aty an-drenivohitra amin’ny angady sy ny harona koa ve ? Hatramin’izao, tsy misy fitondram-panjakana niteny hoe “tsy mety amin’ny Malagasy intsony ny vahaolana tip top.” Na koa hoe “tsy mety amin’ny Malagasy intsony raha mbola fitazoman’aina na “filet de sécurité” ihany no vahaolana omena azy. Fehiny, mbola ho ny fomba fitondra tamin’ny tetezamita ihany ve no averina iainana 5 taona indray ? Mandra-pahoviana no hifarana ity fisaorana amin’ny fomba miavaka ireo akamakama ity ? Rahoviana no hitombina ilay hoe filohan’ny Malagasy rehetra ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.