Edito

Mandamina sa …. ?


  • Alatsinainy 10 Desambra 2012

Nialoha ny fivoriana tsy ara-potoan’ny SADC tany Dar es Salam dia novoizina be teto Madagasikara ilay «ni…ni».

 Niainga tamin’ny filazan’i Seychelles sy Maorisy taorian’ny dinika tany Maputo tamin’ny volana aogositra 2012 izany, nitohy tamin’ny fanehoan-kevitry ny praiminisitra Omer Beriziky tany Maroantsetra, narahin’ny fanambarana isan-karazany nataona mpanao politika samihafa. Na ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina eto amintsika, Atoa Leonidas Tezapsidis aza, dia efa niteny an-kolaka ny tokony hampiharana io «ni…ni» io. Izao dia nandroso hevitra ny amin’ny tokony tsy haha kandida an’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina koa ny SADC, ary io resaka «ni…ni» io angamba, ankoatra ny fanamafisana ny fodian’ny filoha teo aloha an-kalalahana eto Madagasikara, no fanambarana tena mahitsy sy mazava nataon’ity vondrona ity tany Dar es Salam.

Ny SADC mira sehatra iraisam-pirenena, izany hoe izay koa izany no hevitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Tena miankina betsaka amin’Atoa isany Ravalomanana sy Rajoelina sisa ny tohin’ny raharaha. Tonga dia hanaiky ve izy ireo, ka samy tsy hilatsaka hofidiana ? Sa ve ny iray ihany no hanaiky ? Sa mbola hotohizana ny fifampiresahana dia atao ny fifandresen-dahatra dia samy ho kandida ihany izy ireo ? Ny filohan’ny tetezamita, anefa efa tsikaritra fa ho kandida ary mety rahampitso no hanambarany ny filatsahan-kofidiany, izy rahateo efa tena resy lahatra fa izy no filoha, ary mihevitra izy fa tena mbola mankafy azy ny vahoaka Malagasy, izay voarotsirotsin’ny «MORA» isan-tsokajiny apoitra tampoka, isaky ny fety na mialoha kelin’ny fifidianana. Hita ho hafahafa ihany koa anefa ilay fehin-kevitry ny SADC nivoaka farany eo, satria toa mifanipaka amin’ny fanajana ny fahalalahan’ny tsirairay.

Nahoana moa no terena tsy hilatsaka hofidiana ny filoha teo aloha sy ny filohan’ny tetezamita ? Tsy ny famelana azy ireo ho kandida mba hotsarain’ny vahoaka amin’ny fomba demokratika ve no mety kokoa ? Dia tena mino ve ny SADC fa hilamina tokoa eto, raha toa ka samy tsy kandida izy mianaka ireo, ary vao mainka ho loza raha toa ka misisika ho kandida ny iray, kanefa ny iray sakanana. Azo antoka aloha fa tsy hanaiky mora foana io «ni…ni» io ny mpomba ny an-daniny sy ny an-kilany, ary na izy mianaka koa aza dia efa tsinjo ihany fa tsy resy lahatra amin’izany. Koa mipetraka ary ny fanontaniana hoe : mandamina ve sa manao inona ny SADC ? Moa va efa manana ny olony ao anatin’ity vondrona ity ny Frantsay ka miketrika mafy ao mba hanohizana ny zavatra efa natomboka tamin’ny 2009 ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT