Edito

Mandalo


  • Alarobia 31 Janoary 2018

Mandalo tokoa ny zava-drehetra. Tsy misy afaka handiso an’izany. Fiteny matetika ny hoe ny mpitondra mandalo fa ny vahoaka mitoetra.


 Rehefa zohina anefa dia tsy afaka hifanjohy ela ireo tsy indray mihira fa na ray aman-dreny na zanaka na zafy, tsy fantatra izay hody aloha. Loza mihantona ny ratsy atao ary ilevenam-bola ny soa vita. Anisan’ny raharaha miroborobo ary miteraka ireo fahalovana maro toy ny kolikoly sy ny akamakama eto amin’ny firenena ankehitriny ny ady tany sy fibodoana tany etsy sy eroa. Ny mahagaga dia miha mirongatra isan-taona izany ary vao tamin’ny fiandohan’ity taona ity fotsiny dia efa saika isan’andro no nandrenesana azy. Ireo voasokajy ho manam-pahefana dia saika tafiditra sy voatonona matetika ao avokoa. 150 tafo ireo fianakaviana voalaza fa lasibatra etsy amin’ny By pass amin’izao fotoana. Bodoina manamboninahitra jeneraly ny tany noharian’olon-tsotra am-polony taona maro etsy Ambohitrakely. Bodoina teratany vahiny koa ny tanimbary mamelona tantsaha an-jatony eny Akorondrano. Kabariben’ny filoham-pirenena hatrany anefa no setrin’izany fa ireo vahoaka madinika hatramin’izay ka hatramin’izao ary mbola ahiana hadinika foana sady efa ho very tanindrazana no mbola ahiana ho voazanaka indray na dia efa nofoanana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena aza ny fanjanahantany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT