Edito

Mandaitra ve ny fanabadoana ?


  • Alarobia 12 Jona 2019

Dimy volana nitondrana ny firenena Atoa Andry Rajoelina. Ao ny mety ho tsara fa ao ihany koa ny zavatra mamohehitra afitsoky ny fanjakana.

 

 

Ny tsy azo lavina aloha dia tena tompony fa tsy mpindrana ilay filoha amin’ny resaka fampisehoana sy serasera, ary mety ahavoazany ireo filoha hafa nodimbiasany iny. Toa hainy sy vitany ny manatsimbadika ny sain’ny olona hino sy hanaiky fa izy no tompon’ny ketrika amin’ny asa efa iaraha-mahita izao fa ny hafa no tena nifofotra sy nively vy. Ampiresahany ny vahoaka fa ao anatin’ny politikan’ny fitsitsiana ny firenena, dia toa mino. Izy ireo anefa mandeha mandany volabe nisidina tany Maorisy, Kenya, Sénégal, Frantsa, Genève,… ary misy herinandro maninjitra ny delegasionina maro tany ihany. Nambaran’ny minisitra iray aza moa rehefa voakiana fa ny mpampiantrano no miantoka ny fivahinianana. Mody voiziny kely amin’ny hoe: tsy hasiana fisakafoanam-be eny Iavoloha amin’ny 26 jona, dia adinodino ireny. Aleo handeha hojerena ary ny fihetsiky ny filoha Rwandais Paul Kagame hireharehana fa ho avy eto amin’ny fetim-pirenena e ! Ho hita eo io filohana firenena isan’ny mandroso indrindra aty Afrika io na haharitra herinandro toy ny an’ny filoha Malagasy na ho roa andro raha be indrindra. Asa lahy na isika mihitsy no andairan’ny fanabadoana amin’ity fihetsiky ny mpitari-bato vilam-bava ka hafa ny tondroin’ny vavany ary hafa no ataon’ny vavany ity na ahoana ? Rehefa feno anefa ny kapoaka mitobaka ihany e !

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT