Edito

Mandainga sady mampiesona


  • Alakamisy 19 Mey 2016

Asa na vola fanampiana an’i Madagasikara ohatrinona na mpandraharaha hanokatra orinasa firy ka hamorona asa manao ahoana no voan-dalana hoentin’ny filoham-pirenena avy any Singapour nandritra ny diany 3 andro tany ?

Ny mahagaga dia firenena tsy milamina nefa ny filoha lasa any ivelany. Ny anton-dia amin’izany manjavozavo be. Efa mazava tsara izao fa faritra mena amin’ny tontolon’ny fandraharahana i Madagasikara, mbola tany tsy misy fitoniana, tsy azo antoka ny fampiasam-bola eto, mitaky fepetra maro ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena ary ireo firenena mpiara-miombon’antoka amintsika vao ho avy eto hampiasa vola kanefa milaza tampotampoka eo fa mahita mpamatsy vola ho avy eto ny fitondram-panjakana. Sarotra inoana ihany amin’izao toe-draharaha misy eto izao ny hahatongavan’ny mpamatsy vola vahiny, indrindra fa mpandraharaha tsy miankina. Ny eto an-toerana aza tsy milamina ary ilay fitondram-panjakana tsy marin-toerana fa miaina amina resaka don-tandroka sy fampiasan-kery hanapenam-bava ireo tsy mitovy hevitra aminy. Ampiana sinema kely amin’ny resaka fanonganam-panjakana mba hanodinana ny sain’ny olona tsy hifantoka amin’ny afera maizina arahana kolikoly avo lenta ataon’ireo manampahefana. Efa mazava ny fehin-kevitry ny fivondronamben’ny Eveka raha nivory farany fa manjaka eto ny lainga sy ny kolikoly. Raha tsy io aloha no tsaboina dia tsy hisy raharaha ho vanona eto fa fampiesonana no betsaka e !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT