dia ady no hiafarana ! Ny ahiahy tsy hihavanana !
Ny alika jamban’ny taolana fa ny olona jamban’ny vola ! Fomba fiteny mety hifandraika amin’ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny ireny. Nitolona sy nitaky mba hisian’ny fanovana sy fanavaozana eto amin’ny Firenena ny vahoaka Malagasy, indrindra fa ny tanora. Nanao ny ainy tsy ho zavatra, niaritra ny habibidian’ny Fanjakana jadona,… Rehefa nahita sy naheno ny taraina sy antsoantson’ny vahoaka ny tafi-bahoaka dia nifoha sy nijoro hiaro ny valalabemandry, nijoro nandray andraikitra ho an’ny fitantanana ny Firenena. Nandeha ny adihevitra mikasika ny fidirana an-tsehatry ny mpanao politika. Niaiky sy nifanaiky fa tolona iraisana ity ka mila atambatra ny hery. Zava-dehibe izany ! Tsy voatery hitovy hevitra ny vahoaka 30 tapitrisa, ka mazava ho azy fa nangotraka ny adihevitra, toy ny raharaha fanendrena ny Praiminisitra. Samy nanana ny fahitany azy eo, betsaka ny nitsara sy niahiahy, tao no nilaza fa efa nomena fitokisana ny filoha dia andao homena fotokisana sy havela hiasa ny Praiminisitra. Samy manana ny heveriny ho mety ! Fa ny mampanahy sy hifamarafarana dia ny hoe : fanovana no nitolomana teto fa tsy kajikajy politika, kiantranoantrano, kimaizimaizina, fitrandrahana vola sy tombotsoa,… Tsikaritra ho mandaty ny trambo ka sao mantsy hatao tohatra fiakarana ny tolom-bahoaka, hararaotina ny mety ho hirika sy fahalemen’ny fitondrana izay nandray firenena rotiky ny krizy, kolikoly, olana ara-bola sy ara-toekarena,… Tsy tolon’olom-bitsy na antoko vitsivitsy hifampizara seza sy hifampibizina fahefana no nitoloman’ny vahoaka maro an’isa fa tena fanovana mipaka amin’ny tsirairay. Toa mitady hamofompofona fitaingenana ny tolom-bahoaka mantsy izy ka mitady ho lasa hisy hieritreritra ny hoe : afaka ny mpitondra teo aloha efa nihinana betsaka fa aleo mba anjaranay indray izao. Aoka tsy hisy hiambo ho tompon’ny tolona sy hamadika izany ho toy ny azy ka ny vahoaka hihahaka sy hanantena tsy misy raha ny « Teo ihany no miverina » ny olona fotsiny no niova. Toa manomboka velona ihany koa mantsy fatamaty, manomboka mampiseho vangy indray ireo olon’ny fitondrana naloam-bahoaka !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.