Edito

Mandady ny trambo


  • Alarobia 05 Oktobra 2022

Miha mifanipaka tahaka ny atsimo sy avaratra ny fomba fijery ara-politika eto, indrindra fa ny lafiny fiomanana sy fiatrehana ny fifidianana.

Raha milaza ny Fanjakana fa manga ny lanitra, tsy mitanila fa tamin’ny alalan’ny fanajana ny lalàna no nametrahana ireo mpikambana amin’ny rafitra mpikarakara sy mpitsara, dia miakatra kosa ny ahiahin’ireo ivelan’ny fitondrana. Tsy ny mandeha no tanjona, fa ny fahafantarana hoe: aiza marina ny lalan-kizorana, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Antoko lehibe iray izay naneho fa na tsy manam-bola ny rafitra mpikaraka ny fifidianana na misy zavatra tiana hafenina matoa rindram-baiko lany andro sy efa hita ny lesoka no hasisika ampiasaina. Ny Filoham-panjakana vonjimaika iray teo aloha indray naneho, fa tsy manana havaly amin’ny resa-bola hikarakarana fifidianana ny vaomiera mpikarakara, manahirana ny miheritreritra azy kanefa tokony ho laharam-pahamehana. Mampatahotra ve ny miteny izany? hoy ny fanehoan-kevitra. Tsy nihambahambara naneho fa laingalainga sy petatoko no betsaka, ka korontana no mety hiafarany. Rehefa manao an’io fomba fanaony io ny fitondrana, be kajikajy any ambadika hampandaniana ny kandidany, tsy vonona hanitsy ny resaka lalàna, fa mieritreritra fa azy foana ny fahefana amin’ny resaka fifidianana dia lasa mivadika ho sakoroka, raha ny fanehoan-kevitr’io filoham-panjakana teo aloha. Rehefa tsy hanao ny asa ho asa masina ny Fanjakana, dia mety hiafara amin’ny korontana io, hoy hatrany izy. Mbola aty amin’ny herintaona latsaka tsy hahatongavan’ny fifidianana, dia efa izany ny sary politika miseho ka hoentina aiza marina ary izany ity firenena ity. Mbola mitoetra hatrany ny hoe: “izahay aloha izao no eto…?”. Mandady anefa ny trambo, ahiana ho tafalatsaka ao anatin’ny rombo politika indray isika raha tsy mitandrina. Ny andaniny mihevitra fa izy no eo, efa nanao bontolo sy tsindry bokotra ary nampiseho sandry sy basy hatramin’izay ka mbola tsy azo tahinina amin’izay tiany. Ny mpanao politika iray sy roa mety efa manana ny toetrany na hitsahina any an-tampon-doha aza mandefitra foana, saingy aoka tsy hohadinoina fa efa misy hafa manomboka misoko miadana toa hanao raha ao ka sao ho diso fijery eo. Ny valalabemandry rahateo efa maro no leo sy tofoka.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT