Edito

Mandady ny trambo


  • Alakamisy 11 Martsa 2021

Tsy mitsahatra maneno ny anjomara, fa misy zavatra tsy milamina sy tsy araka ny antenaina

 

 

 ny fomba fitantanana ny firenena. Raha ny mpanohitra sy ny ivelan’ny fitondrana, dia mety mbola ho azo adika ihany hoe: fialonana sy fanakorontanana na koa fitiavan-tseza io. Angamba efa zavatra hafa kosa raha ny mpiray donak’afo ao ao anaty fitondrana no misintona lakolosy, fa misy zavatra tsy mandeha ao. Notokanana ny adin’akoho tany Antsiranana ny talata teo, fa ny adin’akoho na koa efa efa adin’ombalahy ao an-dapa ao ihany koa toa efa mangotrangotraka. Hatramin’ny haino aman-jery sy fandaharana natao hanohanana ny fitondrana sy hamelezana ny mpanohitra aza no efa mamely ny minisitra ao anaty governemanta, ny depiote mpanohana fitondrana izay tsy mijanona amin’ny isa iray fa efa roa no efa niteny, fa misy tsy mamely ao anaty governemanta. Ny hafa tsy miteny, dia mba efa mazavazava ihany ny fijerin’ny sasany satria niara-nitolona sy nanao ny ainy tsy ho zavatra izao ihany, saingy ny hafa no miravaka ny vanginy. Efa nalaza teto ny fifamaliana sy fifandrahonana tamina olom-boafidy sy olom-boatendry any amin’ny Fiadidian’ny Repoblika. Ireny ve tsy tandindon’ny fahalovana sy faharavan’ny Fanjakana? Ny toeram-pampiadiana akoho tany Antsiranana voatokana, fa ny adilahy politika miandrika adin’akoho ao anaty fanjakana toa hanahirana. Hihemotra maty raibe, hihemotra maty renibe,… satria efa mahalala zavatra ny ankamaroany. Ny sasany indray toa sanatria manao takalon’aina ilay Filoha sy ny fanjakana ka mihevi-tena ho tsy ho azo kitihina na efa manondrana sy manala-baraka fitondrana matetika aza. Ao ihany koa no mihevitra ny ho eo mandrakizay, ka tsy mifidy vava havoaka sanatria toa manao gisalahy mangala-ketsa,… Mandady anefa ny trambo, ary misy fetrany ny zava-drehetra, ka asakasak’izay mihevi-tena ho tompon’ny hery sy fahefana ary ny voninahitra mandrakizay doria amen.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT