Edito

Mandady ny trambo !


  • Zoma 02 Aprily 2010


Nandalo dia niserana ry Alain Joyandet nitarika ny iraka frantsay tonga nandresy lahatra ireo tompon’andraikitra vitsivitsy teto sy nandroso soson-kevitra hivoahana amin’izao krizy izao. Tsy nambara mazava ny fandaharam-potoana sy ny olona hihaonan’izy ireo, fa efa handeha vao re fa nihaona tamin’i Andry Rajoelina, Pr Zafy Albert ary i Camille Vital. Ny lojikan’izay dia ireo filohan’ny ankolafy no nihaonan’izy ireo. Nahoraka teto an-tanàna rahateo ny tontolo andron’ny omaly alakamisy fa nihazo an’i Afrika Atsimo, hihaona amin’ny filoha Marc Ravalomanana ry Joyandet. Tsy ela fidona ny valin-kafatra avy any fa tsy voatondro ao anaty fandaharam-potoanan’ny filoha Ravalomanana izany hihaona amin’i Joyandet izany. Dia inona ary izany no tanjon’ireo mpanely resaka ireny eo anatrehan’izany? Rehefa notomorina akaiky ny vaovao dia hay nihazakazaka nikarakara ny jeneraly Sékouba Konaté, mpanongam-panjakana ary mitantana vonjimaika an’i Guinée, ireto iraka frantsay ireto. Nankalazaina tany Frantsa mihitsy aza nanomboka omaly hariva fa dia hanampy sy hanohana ny mpanongam-panjakana ao Guinée ny Frantsay, amin’ny fikarakarana fifidianana filoham-pirenena hatao amin’ny 27 jona ho avy izao, fa io no fifidianana voalohany hangarahara ao amin’io firenena io, tato anatin’ny 56 taona izao. Vao avy nofoanan’ny Vondrona Eoropeana moa ny sazin’ireo mpanongam-panjakana sy nandripaka ain’olona an-jatony tao Conakry Guinée, ka izay no nahafahan’ity jeneraly, iray dia amin’i Dadis Camara, nanongam-panjakana tamin’ny faramparan’ny taona 2008 ity, ho tonga tany Paris ity. Tapitra nihaonany ry Bernard Kouchner, lehiben’ny diplaomasia sy Alain Joyandet ary ny filoha frantsay Nicolas Sarkozy sy ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny repoblika frantsay, Claude Guéant.

Miaha-mazava amin’izao ny ao ambadik’iny dia nataon’ireto iraka frantsay ireto. Sanatria anefa ka hoe nandalo ramaka dia nirehitra ny tanàna. Na izany aza, tsikaritra fa hatramin’ny misasakalina teny Andohalo teny dia misy fivoriana ataona andia-miaramila. Inona no antony? Eny Fort Duchesne eny, indray dia mahazo toromarika ny zandary mba tsy hiala lavitra ny toby fa raha vao mandre anjomara dia miverina avy hatrany. Inona no hitranga? Sa mamofompofona ny tany Guinée ny raharaha. Nodinganin’ireto iraka frantsay ireto ny ankolafy Ravalomanana sy ny filoha mpitarika azy. Mbola taratry ny zavatra nataon’i Frantsay teto io, Martiry no nametrahana an’i Andry Rajoelina, fony i Gildas Le Lidec no ambasadaoro teto. Natao avokoa izay hanaratsiana sy hanasoketana an’i Marc Ravalomanana, rehefa Jean-Marc Châtaigner no teto. Nefa tsy tafavoaka ihany ny tetiky ny Frantsay. Dia raha izao fandehany izao, dia ny hampitoka-monina tanteraka i Marc Ravalomanana, sy ny tsy hiverenany eto Madagasikara intsony no tetiky ny Frantsay, izy rahateo efa sesintany any ary nanao fanambarana fa tsy hiverina raha tsy feno ny fepetra araka ny voarakitry ny fifanarahana politika faha-2 nosoniavina tany Maputo. Misy mikendry ny tsy hampilamina ity tany mihitsy ity anefa, dia tsy ho feno ny fepetra ahafahan’ny filoha Ravalomanana miverina an-tanindrazana na tafapetraka eo azan y governemanta. Aoka ho mailo, fa mandady ny trambo !
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT