Edito

Mandady ny trambo


  • Alatsinainy 18 Septambra 2017

Misoko miadana ny kajy maloto rehetra hoentin’ny fitondrana ankehitriny hifikitra amin’ny fitondrana.

Resaka malaza sy efa hamafisin’ny filoham-pirenena ny tokony hanovana ny lalàmpanorenana. Samy manakiana sy maneho hevitra mahery vaika hoenti-manohitra izany ny herivelona maro eto amin’ny firenena manomboka amin’ny mpanao politika, fikambanana … Inona tokoa moa ny fomba fiady na ny hery hoentin’ireo tsy mankasitraka, rehefa tena hanao ny di-dohany tokoa ny fanjakana ? Fanakianana ve nisy ohatran’ny tamin’ny fandraisana ny fivorian’ny Frankofonia, saingy tanteraka soa aman-tsara ihany. Mandady ny trambo satria tsikaritra fa tsy misy ny fifandanjan-kery eto amin’ny firenena. Tsy fitia te hanakiana fa malemy amina na lafin-javatra maro ny mpanohitra ny fitondrana, ka na mahery vaika aza ny fanakianana sy ny fanoherana ny tsy mety hataon’ny fanjakana, dia tratry ny “henoy izany ry hazon-damosiko”. Mbola manjaka eto amintsika rahateo ny zarazarao hanjakana, ka samy maka ho azy sy mitady ny tombontsoa manokany. Ny sasany amin’ireo mpanao politika manakiana ny filoha andro aman’alina aza mihaona aminy an-tsokosoko any an-dapa, ary tsy fantatra izay resahiny ka inona no azo hantenaina amina resaka fanoherana eto ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT