Tsy sanatria maniry ny hisian’ny korontana eto amin’ny firenena na koa maniry loza ho an’ny fitondrana, fa tonga amin’ilay fitenenana hoe mandady ny trambo ny zava-misy amin’izao fotoana izao.
Gejain’ny mpitondra ny zava-drehetra ary dia mitondra tena ho toy ny tsy maty manota ny ankamaroan’ny olom-panjakana. Izay atahorana amin’ny fifidianana sakanana amin’ny kajy maloto isan-karazany, kanefa minia mangina aloha hatreto. Ireo atahorana hanohintohina ny mpitondra potehina sy gadraina amin’ny alalan’ny fitsarana mitanila. Dia mihevitra ny fanjakana Rajaonariamampianina fa ny famoretana sy ny sakantsakana isan-karazany no vahaolana hanamarinan-toerana eo amin’ny fitondrana sy mbola hiverenana eo amin’ny seza. Hireharehana fatratra ny fananana ny tafika ho namana mahatoky, ka dia mipi-kelika mihitsy fa tsy azo hozongozonina. Firifiry ny mpitondra fanjakana nanana ny tanjany teto kanefa nirodana. Tsy mahay maka lesona kosa ny fanjakana ankehitriny fa ny ataony no ataony, ary vatrany mihitsy ny manangam-pahavalo. Tsy takatry ny mpitondra ve hoe toy ny kodiaran-tsarety ny fivadibadik’io tantara io, ka ny mpanenjika androany mbola henjehina rahampitso ? Tsy midika faharesena ny fahanginan’ny maro fa efa samy maka bahana sy manomana ny paikadiny ary manangona ny bala hitifirana. Maro no manombana fa ho sarotra ny fiatrehan’ny fanjakana io taona vaovao ho avy io ary efa mananontanona ny mangidy sy ny mafaitra. Mba mifety am-pilaminana aloha na dia efa mandady aza ny trambo e !
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.