Edito

Mandady indray ny trambo


  • Alatsinainy 18 Martsa 2019

Hivoaka amin’ny fomba ofisialy rahampitso 19 martsa ny lisitra ofisialin’ireo kandida hifaninana solombavambahoaka.

 Ho avy tsy ho ela izany hazakazaky ny fampielezan-kevitra ho enti-mambabo ny fom-bahoaka. Toa mitamberina indray ny zava-nisy tany amin’ny fifidianana filoha. Tonga ny vary mora, izay inoana fa tsy fifandrifian-javatra fa efa vita kajikajy. Mandeha ny fampanantenana fanaon’ilay filoha, toy ny tany Toamasina omaly fa hatomboka ny lalam-be migodana na ny “autoroute” mampitohy an’i Toliara-Antsiranana  sy Antananarivo-Toamasina,… Mirarakopana hatrany ny fampanantenana ka hivavahana mba ho tsy fampanantenana poak’aty intsony e! Ny tànana efa zatra mitsotra tokoa angamba tsy afaka hiforitra intsony, fa dia re siosio manangasanga any indray ny teti-dratsy amin’ny fifidianana. Mandeha, ohatra, ny resaka fa karapanondro iray alina isa mifandraika amina lisi-pifidianana efa vita kajikajy no kotrehina kandida hangalaram-bato eny amin’ny boriborintany faharoa eto Antananarivo. Mandady indray ny trambo amin’ny karazana teti-dratsy samihafa satria heverina fa efa tafapaka ao an-tsain’ny maro ny don-tandroka samihafa, ka milefitra mora foana eo anatrehan’ny halatra sy ny hosoka samihafa. Efa manomboka mandeha anefa ny ritsoka fa tsy folaka fa nandefitra ny rehetra teo anatrehan’ireny. Tsy te hipetraka ho olana ho an’ny firenena, ka nandefitra nanana ny rariny. Izay no mbola tadiavina hararaotina indray amin’io fifidianana solombavambahoaka io satria mihevitra ireo efa zatra ny làlan-dririnina fa efa adinon’ny olona ny teti-dratsy tamin’ny fifidianana filoha farany teo. Misy fetrany anefa ny zava-drehetra, hoy ny fitenenana, ka sao ahitan-doza ny mbola finiavana hampanjaka ny hosoka sy ny teti-panorona mamohehitra. Anjaran’ny vahoaka no misaina sy mandinika, ka hahay mifidy olona tena hisolo tena azy hampisy fifandanjan-kery ara-politika eto. Ho loza raha olona mbola hobaikoana hananga-tànana sy hanohana be fahatany ny mpitondra mpanatanteraka no hapetraka eo. Mila olom-boafidy hanara-maso amin’ny tsy mety sy hanozongona ny fanjakana mba hanitsiany ny diany, na handrodana azy mihitsy raha ilaina eo anatrehan’ny mety famadihana tanindrazana! Mila fandraisan’andraikitra ny vahoaka mba tsy hataon’ny sasany toy ny fananana maty tompo ity Madagasikarantsika ity e!

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT