Tsy maintsy nampihena ny vola ampiasainy ny fanjakana noho ny tsy fisian’ny famatsiam-bola avy any ivelany, ankoatra ireo tetikasa isan-karazany moa dia misy sehatra roa ilana ny vola avy any ivelany dia eo ny «aide budgétaire» sy ny «appui budgétaire», ka arakaraka ny filana voasoratra ao amin’ny tetibolam-panjakana no hanomezan’ireo mpamatsy vola mahazatra io fanohanana sy fanampiana ny tetibolam-panjakana io. Fantatra fa mahatatra 500 miliara ariary ny vola fanampiana avy any ivelany tokony ho azontsika, kanefa dia nihitsoka, noho ny fisian’ny krizy politika sy ny tsy faneken’ny sehatra iraisam-pirenena ny mpitondra misy eto, izay mbola voasokajy ho mpanongam-panjakana, hatramin’izao. Mety tsy dia hita taratra amin’ny fiainana andavanandron’ny isan-tokantrano izy io amin’izao fotoana, saingy tena ho ratsy ho an’ny firenena sy ny fitantanan-draharaham-panjakana, raha toa ka tsy mitandrina amin’ny fampiasam-bola ity farany. Sady tsy mamokatra mantsy isika izao, na mamokatra ihany fa tena kely, satria maro ny orinasa nikatona, izany hoe nihena ny vokatra, ary nidina ambany dia ambany ihany koa ny tahan’ny fandoavan-ketra. Ireo vokatra fanondrana, nahazoana vola be tahaka ny lavanila sy ny jirofo moa dia nitotongana koa ny vidiny, noho ny fihenan’ny filàna teo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ary eo ihany koa ilay hoe tsy mbola manara-penitra tsara ny vokatra malagasy.
Ny hany mba hahafahan’ny fitondrana tetezamita mihetsika kely izao dia tahirim-bola ivelany navelan’ny fitondrana Ravalomanana tao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara, dia izao miampy ilay 100 tapitrisa dolara, vola azo avy amin’ny orinasa Sinoa Wisco izao ho sandan’ny fanombohan’ny asa amin’ny fitrandrahana vy ao Soalala. Ny prezidansa moa no mitantana io vola io, ka araka ny nambaran’ny filohan’ny FAT dia ampiasaina amin’ireo tetikasa hita fa tena maika, sy mahasoa ny rehetra izy io, tahaka ny fanamboarana hopitaly, sekoly, fonja, lalana. Fampandehanan-draharaha sisa no hamoahan’ny ministera tsirairay vola, fa raha misy ny manana tetikasa dia any amin’ny prezidansa no maka vola. Ny mampanahy anefa dia ny hoe mandra-paharahoviana no hisian’ity fihafiana ity, ary raha tany ty ka lany moa io 100 tapitrisa dolara io, dia inona indray no hambaran’ny fitondrana tetezamita.
Efa maro mantsy ny tetikasa efa miainga amin’izao fotoana, tahaka ny fanamboarana ny RN 44, ny fanamboarana ny kianjan’Antsonjombe, ho avy koa ny hopitaly, ary maro ny fampanantenana ataon’ny mpitondra any amin’ny faritra amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa isan-karazany. Etsy ankilan’izay dia ho avy ny fifidianana, ary i Andry Rajoelina dia efa nilaza fa tsy maintsy vita izany, na misy na tsy misy ny fanampiana avy any ivelany. 40 tapitrisa dolara eo anefa ny vola ilaina amin’ny fifidianana. Ka raha izany no izy dia 60 tapitrisa dolara izany sisa no azo kitihana hanaovana ireo tetikasa marobe nampanatenaina ireo. Efa tena mandady amin’ny tany ny toekarena Malagasy, raha ny filazan’ny manampahaizana azy, ka tsy maintsy mila ny fanampiana avy any ivelany, fa tsy ho avotry ny 100 tapitrisa dolaran’ny Wisco sy ny hambom-po diso toeran’i Andry Rajoelina mihitsy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.